Any an-tokatrano, ny zazavavy ihany no mahazo fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny. Matetika tsy manazava ny fahasalamana ara-pananahana izy ireny fa mijanona ho fananarana miendrika fampitahorana fotsiny.
Nanao fanadihadiana an’ ireo tanora 800 amin’ny toerana efatra: Antananarivo, Toamasina, Antsiranana ary Toliara ny Health Economics and HIV and Aids Research Division(HEARD), momba ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora, ny taona 2020. Niantefa tamin’ny tanora 15 – 24 taona an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra, mbola mianatra na tsia, nanomboka eny amin’ny kolejy hatramin’ny oniversite ny fanadihadiana. Nivoitra fa tsy mampiasa fimailo fiarovana ny tanora rehefa manao firaisana, 52% nanambara izany ho an’ny tanàn-dehibe ary 68% ho an’ny any ambanivohitra. Tanora iray amin’ny dimy tamin’ireo nohadihadina ihany no mampiasa fiarovana. Vokatr’izany, 47,4% amin’ireo 800 no nilaza fa efa bevohoka indray mandeha. Vohoka iray amin’ny roa no nomanina raha enina amin’ny 10 (57,4%) no tsy maintsy nesorina ary ny tanora an-tanàn-dehibe no maro anisa (vohoka fito amin’ny 10) raha mitaha amin’ny any ambanivohitra. Ny faniriana hanohy fianarana no antony voalohany nampitsaharana ilay vohoka satria tsy mahazo manohy fianarana intsony raha vao bevohoka any an-dakilasy.
Varavarana misokatra ho an’ny fiparitahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny tsimokaretina VIH/Sida ny tsy fampiasana kapaoty mandritra ny firaisana. Maniry ny hahazo fahalalana momba ny fahasalamana ara-pananahana feno ny tanora mbola mianatra, izay nilaza fa tokony hatao taranja hanadinana amin’ny fanadinam-panjakana izany, araka ny valin’io fanadihadiana nataon’ny HEARD io.
Nohamafisin’ny lahatsoratra siantifika nivoaka ny taona 2023 fa miparitaka ny tsimokaretina VIH/Sida raha ireo olona marefo ihany no tena nahatiliana izany teo aloha, teto Madagasikara.
Vonjy A.