VAOVAO TAMBATRA

Miato avokoa ny fifandraisana an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Comores hisorohana ny mety ho fahatongavan’ny valanaretina Choléra eto amintsika. Nahazo fahazoan-dalàna manokana kosa ny sambo mpitatitra entana toy ny solika, entona fandrehitra. Hentitra amin’ny fanarahan-dalàna sy fepetra ara-pahasalamana ny tomponandraikitra.

Miisa 1 500 ireo tokantrano marefo nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avy amin’Am­batovy, nandritra ny taona 2023, ao amin’ny faritra iasany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’ny orinasa ny fiahiana ireo vondrom-bahoaka eny ifotony amin’ny famatsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra.

Nakarin’i Egipta ho 60% ny tanjona hotratrariny amin’ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny taona 2030, raha 42% izany teo aloha. Nohavaozina ny paikady momba ny angovo noho ny fihazakazaky ny fivoaran’ny teknolojia. Manana fitaovana sy toerana ho an’ny fananganana tetikasa momba ny angovo ny Egiptianina.

Manana vina hisolo an’i Sina ka ho tonga ozi­nina maneran-tany i Inde. Ankehitriny, nahasintona mpampiasa vola maro amin’ny famokarana “Smart­phones” ny firenena indianina. Mikasa hanangana ozinina mpamokatra fiara mandeha amin’ny herinaratra i Elon Musk. Mirehareha amin’ny fahafahany misintona mpampiasa vola goavana maneran-tany i Inde.

Partager sur: