USAID Ranowash-MEAH: nahazo rano fisotro madio ny any Morarano Chrome

Notokanan’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravoka­tra Fidiniavo, sy ny delegasion’ny USAID-Ranowash, ny 6 desambra teo, ny fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio, any Morarano Chrome sy Morarano Gara, distrika Amparafaravola sy Moramanga, faritra Alaotra Mangoro.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ranowash tohanan’ny USAID, iarahana amin’ny minisitera MEAH. Miisa 24.000 ny mponina mahazo rano fisotro avy amin’ireo fotodrafitrasa vaovao ireo, ka 22.700 ny any Morarano Chrome, Ambahiboho, Mo­ra­rano Andrefana, Ambohi­ma­narivo, andaniny, ary 1.678 any Morarano Gara. Nohavaozina ny tohodranon’i Marenina any Morarano Chrome no natao nahazoana izao famatsian-drano izao. Ampiakarina amin’ny alalan’ny paompy AEGP ny rano. Fotodrafitrasa ahitana siniben-drano roa, miaty 50 m3, toeram-panadiovana rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Miisa 185 ny tokantrano efa manana rano ao an-trano, famatsian-drano iombonana miisa 14, sady mamatsy ny tobim-pafasalamana, sekoly (EPP sy CEG), tokantrano fito ary tranoheva mpizara rano miisa 11. Misy koa ny fotodrafitrasa ho an’ny fanadiovana.
Ho an’i Morarano Gara, ranon’Andoharano no nalaina, nananganana sinibendrano miisa roa, mahazaka rano 25 m3, fanatatavanana rano (filtre) anaty efitra telo. Misitraka izany ny tokantrano miisa 21, paompy iombonana telo hoan’ny tobim-pahasalamana, sekoli-panjakana, ary tranoheva dimy. Manampy ireo ny fotodrafitr’asa , rano hoan’ny toeram-pidiovana ary toeram-pivoahana roa. Miasa ao anatin’ny kaominina miisa 250 ny Ranowash, anaty faritra fito manerana ny Nosy.

Njaka A.

Partager sur: