Banky Iraisam-pirenena : hitohy ny fiaraha-miasa ho an’ny 5 taona manaraka

Ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ao amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Dia nihaona tamin-dRamatoa Rabariniri­na­rison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola tetsy Alarobia, omaly 7 desambra ny filoha lefitra sy ny ekipany izay miasa eto Madaga­sikara. Ny fiaraha-miasantsika sy ny Bretton Woods ao anatin’ny 5 taona manaraka no vontoatin-dresaka tamin’izany.
Nanome toky ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena fa, hiantoka ny fahavononan’ny andrimpanjakana Bretton Woods hiara-hiasa amin’i Madagasikara mandritra ny taona maro manaraka. Notsiahivin’ny minisitry ny Toekarena fa isan’ny laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny firenena, ny fanovana ara-toekarena, ny fanomezan-danja ny maha olona ary ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny olom-pirenena. Mila fiaraha-miasa matotra ny hanatrarana ireo tanjona ireo.
Anisan’ny hodinihina mandritra ny fivoriambe “lohataona 2023” iarahan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny fahazoana angovo, ny nomerika ary ny rano fisotro. Mi­kasika ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), naneho ny fahavononany hiroso amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: