Harinkarena Faobe: mila ampitomboina ny fahaizana sy ny traikefa

Marefo ny toekaren’i Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny famokaran’ny tsirairay. Mila ampitomboina ny fahaizana sy ny traikefa (capital humain).

Ambany ny harinkarena eto Madagasikara ka tsy ahafahana miady amin’ ny fahantrana na koa ametrahana ny Nosintsika ho anisan’ ireo firenena vao misondrotra maneran-tany. Miankina amin’ ny famokarana ny fitombon’ny harinkarena, «mihena ny vola miditra amin’ny tsirairay rehefa ambany ny taham-pamokarana», hoy ny fanazavan’ny Pr Rakoto David Olivaniaina, talen’ny filankevi-pitantanan’ ny (PCA) cercle de réflexion des économistes de Mada­gascar (CREM), omaly, teny Ankatso. Nilaza izy fa “mila ampitomboina ny fahaizana sy ny traikefa (capital humain), ny orinasa manodina vokatra (capital physique)”. Tao ana­tin’ny taona maro, ambany ny harinkarena amin’ny firenena noho ny tsy fahampian’ny fahaiza-mitantana sy ny fahaizana ary ny traikefa. Nilaza ny PCA ny CREM fa tsy ampy ny indostria sy ny masinim-pamokarana eto amintsika raha ampitahaina amin’ny fitombon’ny mponina. Ny taona 2022, tafakatra hatrany amin’ny 75% ny taham-pahantrana teto Madagasi­kara.
Manampy trotraka ihany koa ireo loza voajanahary samihafa sy ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny taona 2021 manodidina ny 5,7% ny fitombon’ny harinkarena eto Madagakasi­kara raha toa ka nihena ho 3,8% izany ny taona 2022 vokatry ny ady ao Ukraine sy ireo loza voajanahary. “Mi­antraika mivantana eto amin­tsika ny zava-misy maneran-tany”, hoy hatrany izy. Noho izany, tokony hijanona ho 4% ny tahan’ny harinkarena ta­min’ny taon-dasa mialoha ny hiakarany ho 4,7% amin’ity taona ity sy ny taona 2025.
Vidim-piainana
Niakatra ho 11,3% ny vidim- piainana teto Madagasikara tamin’ny volana jona 2023 raha toa ka 6,9% ny jona 2022. Antenaina hihena hatrany amin’ ny 8,5% kosa izany ny taona 2024-2025. “Ambony lavitra ny fanafaran’entana ataontsika raha oharina amin’ny fanondranana ka mahatonga ny firenena miankindoha amin’ny tsena any ivelany”, hoy ny fanazavana voaray. 2,8% ny harinkarena faobe (PIB) ny taona 2021, raha toa 6,4% ny taona 2022. Niakatra ihany koa ny trosam-panjakana ka niantraika tany amin’ny harinkarena faobe ho lasa 56,9%. Noho izany, “tsy tokony handany vola mihoatra ny tetibola ananany ny fanjakana. Azo atao kosa nefa ny manao fandaniana hampitomboana ny famokarana, toy ny famoronana asa ho an’ny tsirairay hampakarana ny toekarena”, hoy hatrany ny Pr Rakoto David Olivaniaina.

Henintsoa Hani

Partager sur: