Raha somary kivikivy amin’ny rano sy ny loto izay entin’ny orana ny eto an-dRenivohitra, hita ho velombolo tanteraka ny mponina any ambany ravin-kazo rehetra any. Ampy tanteraka ny rotsakorana ho an’ny fambolena tamin’ity taona ity. Tsy dia hitan’ny vilany firy izany mahandro fotsy izany. Somary tsy ren’ny isan-tokantrano any ambanivohitra ny maitsoahitra.
Maitsomavana ny ketsa vao natsatoka eny an-dohasaha. Mavo marevaka, noho ny voka-bary an-tanety, ny havoana. Manginy fotsiny ny voly avotra sy ny legioma izay mitobaka eny an-tsena. Raha ny sakafo aloha, tsy misy ny olana ho amin’ity taona ity. Tena mitobaka izaitsizy ny vokatra.
Ny indrokely, sarotra ny lalana, hany ka mitady hanao ampihimamba ny fanangonam-bokatra ireo afaka manao izany. Manambaka ny tantsaha amin’ny vidiny mora. Mamely mafy ny mpanjifa amin’ny vidiny lafo. Toy ny sehatry ny fandraharahana rehetra io! Mila kely ny masonkarena, mba hahazoana tombony mihoapampana. Fehiny, giazan’olom-bitsy hatrany ny tombontsoa na hatrany amin’ny tontolon’ny fambolena aza.
Sehatra iray, izay somary latsa-danja eto Madagasikara, ny lafiny fambolena na dia anisan’ny minisitera iray, mahazo famatsiam-bola be dia be amin’ny mpiara-miombon’antoka aza. Indrokely ny tsy fahampian’ny politikam-pirenena mazava mahafehy ny sehatra rehetra iasana. Voazarazaran’ny tombontsoan’ny mpamolavola tetikasa sy ny tanjona manokana kinendry izany.
Zary hadino fa ny Malagasy tsivakivolo no misitraka ny soa azo avy amin’ny fambolena, indrindra ny fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivolo. Mbola ho avy indray io ny andro ratsy, hitondra orana. Inoana sy antenaina fa hampitombo hatrany ny vokatra izany ka hifanentana ny tolotra sy ny tinady. Hirindra araka izay ihany koa ny vidin’entana. Mba ho tena hahay hifampitsinjo Ramalagasy, manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana.
r.r