Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly sy afakomaly, ny mahakasika ilay Da-Willy mpanolana. Samy nanovokovoka tamin’ny fanomezan-tsiny sy ny fitsaram-bahoaka avokoa Ramalagasy tsivakivolo. Rariny sy hitsiny izany satria iza no tsy maharary amin’izany atao hoe zaza «tsy manan-tsiny» izany. Tafahoatra sy feno habibiana rahateo ny zava-niseho.
Nahafinaritra sy nahavelombolo aoka izany ny firaisankina nasehon’ny rehetra. Nanomboka amin’ny olon-tsotra, hatrany amin’ny tompom-pahefana ambony indrindra. Poa toy izay, voasambotra avy hatrany ity nahavanon-doza. Miandry azy ny fanasaziana henjana. Tonga hatrany amin’ny fangatahana azy hisantatra ny famosirana avy hatrany.
Niaraha-nahalala fa efa lany ny lalàna mahakasika ny fanasaziana ny mpanolana. Efa neken’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana rahateo ny momba izany. Ny fampiharana sisa no andrasana. Inona no sakana? Zary miandry, miandry, lava ve Ramalagasy? Iaraha-mahita anefa fa misy ny hamehana. Arakaraka ny nandraisana fepetra henjana, mainka nanao izay danin’ny kibony ireto lehilahy « tsy vanona ».
Tsy afa-miala amin’ny fitarazohana ny fanjakana mahefa. Na inona na inona kiana ataon’ny vahiny sy ny milaza ho mpiaro ny zon’olombelona, tsy tokony hisy ny fihenahenana. Firenena manana ny fiandrianany sy ny fahaleovantenany i Madagasikara. Sanatrian’ny vava lasa fialokalofan’ny olon-dratsy ilay resaka zo maha olona. Aiza ve ka rehefa ny tsy manan-tsiny no lasibatra, tsy miteny ry « vazaha » sy ny mpiasa amin’ny tetikasa.
Misy firenen-dehibe izay mbola mampihatra ny fanamelohana ho faty aza no sahy mitonona ho mpanome lesona sy modely ankitsirano. Toa mpitari-bato vilam-bava anefa izy ireny. Indrisy, ny madinika sy ny marefo hatrany no indroa miditra ny maizina toy ny tain’omby natsentsin-davaka. Sady voaolana no iharan’ny maha tsimatimanota ny mpametaveta !
r.r