Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ny roa taona. Araka ny tarehimariky ny Tsena iraisam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), efa nahatratra 32 000 dolara ny taonina ny faran’ny taona 2022, taorian’ny tranga Covid-19. Nidina tsikelikely izany, 26 000 dolara ny janoary 2023, niakatra kely 30 000 dolara ny febroary ary nitotongana 22 000 dolara ny avrily 2023. Ankehitriny, mahatratra 17 800 dolara ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nilaza ny mpisehatra amin’ny nikela iray, fa diso ny vinavinan’ireo mpandraharaha nihevitra fa hihatsara ny vidiny eo amin’ny tsena, satria maro ny tinady. Antony, nitobaka ny fitrandrahana tany Indonezia, firenena anisan’ny tena mpamokatra nikela, sady manondrana any Sina, anisan’ny voalohany tena mpanafatra. Diso koa ny fiheverana fa hiroborobo ny famokarana bateria ilain’ny fiara elektrika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha ny tombana nataon’ny mpahay toekarena, ny 50% ny vinavina amin’ny fiara elektrika hamboarina ihany no tratran’ireo orinasa mpanamboatra izany.
Mivoatra ny teknolojia
Anisan’ny firenena mamokatra nikela tsara kalitao i Madagasikara. Akora nikela avokoa ny 99,9%, tena ilaina amin’ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika. Misy koa ny orinasa any ivelany mamokatra nikela saingy mifangaro amin’ny akora hafa. 40% ny nikela ao anatiny, afangaro amin’ny akora hafa, toy ny vy. Efa mahita hevitra hafa i Sina amin’izao fotoana izao, hamokatra bateria tsy voatery ho nikela daholo ny 99,9%, fa mety ho ny 40% ihany. Midika izany fa tsy mitsahatra mivoatra ny teknolojia, ary miovaova manaraka izany koa ny vidin’ny akora eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, toy ny nikela, ohatra.
Njaka A.