Tontolon’ny saripika: notokanana teny Ambatovinaky ny takelabato Ramilijaona

Ramilijaona na « Ra­mi­ly », andrarezin’ny tontolon’ny saripika malagasy. Noto­kanana, omaly, tetsy Amba­tovinaky ny takelabato misy ny anarany sy ny soniany. Ankoatra ny sonia, tazana ao anatin’ity takelaka ity ihany koa ny soratra : « Tato no niorina voalohany ny trano studio an-dRamilijaona (1887 – 1948), rain’ny fakana sary malagasy maoderina ». Voa­soratra amin’ny fiteny frantsay sy anglisy eo amin’ny takelaka ihany koa ireo. Araka ny fanazavan’ny zanany vavy aivo : « ity trano nametrahana ny takelabato ity no trano nahaterahany sy nodiany mandry. Tato ihany koa izy no niasa teo amin’ny tontolon’ny fakana sary sy ny fikirakirana izany ». Amin’ny ankapobeny, voatahiry ao anaty trano ny fanaka nampiasain-dRamili­jaona. Ao ihany koa ireo ampahany tamin’ireo fitaovana nampiasainy sy ireo mpiara-miasa taminy.
Ankoatra ny maha « Rain’ ny fakana sary maoderina » azy, nampahafantarina teny an-toerana ihany koa ny maha mpanakanto an-dRa­milijaona. Ny fotoana nitazonana azy tany amin’ny nosy Mayotte no nanaovany sary hosodoko. Iray amin’ireo mbola voatahiry eny Amba­tonakanga, ny sary nataony ho fahatsiarovana ny reniny. Nandritra ny fitsidihana ny efitry ny trano fiasany ihany koa no nahitana ny piano notendreny. Nahavita nanangona boky maro koa Ra­milijaona. Ny ankamaroan’ireo, saika tsy hita intsony amin’izao vanim-potoana izao.

Raha tsiahivina, mahatratra 50.000 ny « plaques de verre » mirakitra ireo sary nalainy. Efa eo an-dalam-panatontosana ankehitriny ny famadihana azy ireo ho nomerika sy ny asa mifandraika amin’izany. Ny Musée de la photo eny Anjohy no miantsoroka ny asa. Nomarihin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ity fikambanana ity rahateo fa zava-dehibe eo amin’ny fahafantarana ny tantaram-pirenena ireo saripika nalain-dRamilijaona.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: