Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo

Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka.

Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fa­na­dihadiana mikasika ny tah­an’ny fandaniana ny volam-panjakana eto Madagasikara.
Nitarika azy ny holafitry ny prezidansa amin’ny alalan’ ny Fandaharanasa fanarenana mba hampahomby ny fitantanana ny raharaham-panjakana (PREA), tohanan’ny Usaid sy ny Fandaharanasan’ny Fire­ne­na mikambana ho an’ny fa­mpandrosoana (Pnud), ao an­a­tin’ny fandaharanasa Rindra.
Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny famatsiam-bola azon’ny fanjakana sy ny fandaniana azy. Fantatra fa nahatratra 793 tapitrisa dolara ny vola azon’ny fanjakana, ny taona 2021. Misy amin’ireo ny fanomezana, ny fanampiana ny fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka, ny vola indramina sy trosaina.
Raha ny tarehimarika farany, nahatratra 64,5% ny ta­han’ny fandaniana ny sora-bola azo, ny taona 2015. Ma­nodidina ny 500 tapitrisa do­lara ny salanisan’ny fanampiana ara-bola azo isan-taona. Nilaza ny sekretera jeneralin’ ny prezidansa (SGP), Rtoa Pelandroy Espérance, omaly, fa mila hatsaraina izany ny tahan’ny fandaniana ny vola azo, ka tanjona ny hanatrarana ny 80 na 90%.

Tsy ampy ny firindran’ny asa
“Isan’ny sakana nahatonga izany ny tsy firindran’ny asa, mitsitokotoko ireo mpian­tsehatra samihafa. Ilaina koa ny fifanomezam-baovao mitohy amin’ireo mpiara-miombon’antoka”, hoy ihany Rtoa Pelandroy Espérance. Isan’ny vahaolana azo atao ny hananganana toerana iray ahitana ireo sehatra voakasika rehetra (guichet unique), ohatra.
Mifantoka amin’ny lohahevitra telo ny toromarika a­pe­traky ny vovonana Aid Ma­na­gement Platform (AMP), nanao ny fanadihadiana sy ny tombana. Voalohany, fampiasana araka izay tratra ireo rafitra samihafa sy ny fanamafisana ny fifandraisan’ny go­ver­nemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Voakasik’ izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitsinjaran’andraikitra ary mila mazava ny politikam-panjakana. Faharoa, ny fanitsiana ny dingana arahina sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao mitohy, ao anatin’ ny mangarahara ny fitantanam-bola. Fahatelo, ny fa­no­m­banana mitohy ny zava-bita, mila tatitra mikasika ny antsipiriany rehetra ao anatin’ny fandaharanasa ary apetraka ao anatin’ny fifanakalozam-baovao mahomby sady tsy anki­ato .

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: