Mihozongozona ny fahefam-panjakana, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Nandamoaka ny fitsipaham-pitokisana, nikasana handravana ny governemanta. Mivadika anefa ny rasa, ny toerana misy ny tompon-trano ao Iavoloha mihitsy izao no tandindonin-doza. Mamay ny toe-draharaha politika. Ho kila forehitra eo izay tsy mahay milalao afo. Mahoraka hatramin’ny fotoana nanoratana ny filazana fa mikiry biby hametra-pialana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Tsy manaiky ny nanaovana azy sy ny karazana fitapitaka tsy mazava. Zary nahavery hasina ny maha “renin’ny filoham-pirenena” azy eo amin’ny tontolo politika rahateo ny zava-niseho. Iza no tsy nahita ny ezaka nataony hatramin’ny fanonganana ny filoha Ravalomanana Marc tamin’izany fotoana?
Inona marina no zava-niseho? Hatreto, tsy misy sahy manambara ampahibemaso ny marina. Kobokobonina lava, zary lazaina sinema. Rehefa zohina akaiky, toa tsy sarimihetsika anefa, hay tena zava-misy. Raha tanteraka tokoa ny fametrahampialan’ity lehiben’ny andrimpanjakana ity, mazava ho azy, maika hihamarefo hatrany ny fitondrana misy, noho ny krizy politika haterany. Tsy mahagaga raha manda hatramin’izao, ny fangatahany ny filoham-pirenena. Ity farany, izay mila mandinika lalina rahateo amin’ny fomba fanaovany politika. Indrindra ny fahasahiana maka fanapahan-kevitra sy mitazona izay teny nataony. Vanim-potoana izao, sady hampisehoany fa manana ny maha izy azy izy no tokony ahasahiany, mandingana ireo heverina fa manjioga azy amin-javatra maro samihafa.
Tsy misy afa-tsy izy irery (ny filoham-pirenena) sy izay olom-bitsy azony hametrahana fitokisana sisa no afaka manavotra ny tenany sy ny fitondrana izay misolo tena ny vahoaka nifidy azy. Mibaribary toa vay an-kandrina ny mpamosavy malemy. Hita fa manenjan-tsalaka ara-bakiteny, ireo mpanao tantely afa-drakotra ny firenena sy ny tiatia kely. Manao izay danin’ny kibony ny “hihinana faramparany”.
Na inona na inona zava-miseho, saro-toerana ny filoham-pirenena. Ahina hiverina ny tantara tamin’ny taona 2014. Mizarazara ny mpanohana ka nanangana ny Mapar sy Mapar 2. Raha sanatria izany no miseho, inona no antenaina? Rava ho azy ny firenena miady an-trano. Tsy maintsy mandray ny fepetra anaty hamehana ny filoha Rajoelina, Raha mbola tiany ny hamaka amin’ny fitondrana tantanany. Sady tsy ho an-tany no tsy am-parafara no miandry azy raha mitaredretra amin’ny fakana fepetra. Mihamitombo ny mpifanandrina politika, miandry kendry tohina ny fahadisoana. Ny ao anatiny mandefona ivoho, ny aty ivelany mandroboroboka manolo-bato mafana. Dieny mbola misy ny herijika, hamahana ny olana, mila miroso izy. Raha tara loatra mety ho sahirana. Amintsika Malagasy anie ka ratsy be ilay mandroso maty raibe, hihemotra maty renibe!
r.r