Otrikafo: “Ahina hiavian’ny fipoahana sosialy ny delestazy”

Naneho hevitra manoloana ny olana sosialy, indrindra ny fahatapahan-jiro tato ho ato ny Otrikafo. Nametraka ny ahiahiny izy ireo.

“Manahy izahay hoe io no hiavian’ny fipoahana sosialy manaraka eo, raha tsy mitandrina ny mpitondra fanjakana. Apetrakay ny adihevitra hoe: tsy hirosoana ve ny vahaolana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny fahatapatapahan’ny jiro vokarin’ny Jira­ma. Misy amin’ireo kaompanian-tsolika ireo manafatra solika mavesatra dia mivarotra izany amin’ny Jirama. Manao ny fanerena rehetra tsy hahazoana mampiasa ny menaka mavesatra vokatra ao Tsimororo. Ma­naiky izany koa ny fanjakana malagasy.
“Matoa misy ny olana, alohan’ny hirosoana amin’ny famahana olana: tokony hojerena izay tena fototry ny ola­na”, hoy izy. Olan’ny Jirama, ny tamin’ny taona 1998: nitarika ny fahapotehan’ny Jirama ny fifandimbiasan’ny mpitondra. Nisy ny lalàna 98-032 momba ny herinaratra nametraka tamin’izany hoe tokony hiala amin’ny famokarana angovo ampiasainy ny Jirama, fa homena ny tsy miankina izany. Nirosoana tokoa izany, izay faneren’ny Banky iraisam-pirenena nefa noraisin’ ny fitondram-panjakana ta­min’izany.

Mividy amin’ireo tsy miankina
Lasa tsy mamokatra ny angovo ilain’ny orinasa Ji­rama isika, fa lasa mividy amin’ireo tsy miankina. Izay ilay mivarotra amin’ny fatiantoka atao amin’izao: mividy angovo lafo amin’ny orinasa tsy miankina ny Jirama, nefa mivarotra mora amin’ny mpanjifany. Tena fototry ny olana amin’ny delestazy iza­ny. Anisan’ny mampimenomenona ny mpanjifa ny afi­tsoky ny Jirama. Eo ny fahatapahan-jiro matetika sy ny saran-jiro tsy manaraka izany fahatapahana izany fa vao mainka mitombo.

R. Nd.

Partager sur: