Anisan’ny paikady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro. Azo atao ny manatanteraka azy, na amin’ny toerana tery eny an-tokotany aza.
Vitsy ny misehatra amin’ny fiompiana trondro eto amintsika. Nitsidika ny Foibe fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) eny Ampandrianomby, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafiharison Andriamanantena.
Nojerena ny voka-pikarohana mahakasika ny fiompiana trondro sy ny paikady entina hampiroboroboana sy hanapariahana izany. Tanjon’ny minisitera MPEB ny hanapariahana ny fiompiana trondro ho azo ataon’ny isan-tokantrano toy ny fiompiana akoho.
Manana toerana manokana fiompoana trondro fitaratra, tsy atao an-dobo (hors sol) ny Fofifa eny Ampandrianomby. Antsoina hoe « aquaponie » na akoaponia ity fomba fiompiana ity, hambolena zavamaniry sady hiompiana trondro anaty toerana mihidy. Mifameno sy mihodina ireo roa ireo satria lasa zezika ho an’ny zavamaniry ny tain-trondro, ary sakafon-trondro koa ny zavamaniry. Tombontsoa lehibe no azo amin’ny akoaponia satria tsy mila toerana malalaka na dobon-drano, fa azo atao eo an-tokotany. Tsy voatery hiantehitra amin’ny hazandranomasina sy an-dranomamy ihany koa, fa azo atao ny miompy trondro ao an-tokantrano.
Ambany ny tahan’ny fihinana trondro
Etsy ankilany, anisan’ny paikady ezahin’ny minisiteran’ ny Jono ny fampiofanana ny mpiompy trondro maimaimpoana, manerana ny faritra eto amintsika.
Mbola ambany ny tahan’ ny fihinanana trondro eto Madagasikara. Zara raha mihinana 4,26 kilao isan’olona, isan-taona, ny Malagasy nefa efa 20 kilao/olona/taona ny any Maorisy ary 60 kg ny any Seychelles. Efa tafakatra 146 kg/olona/taona ny any Maldives.
Njaka Andriantefiarinesy