Fomba iray azo anabeazana sy itaizana ny angano. Mbola mahaliana olona maro, indrindra ny ankizy, eto amin’ny Nosy ny fihainoana azy na eo aza ny firoborobon’ny teknolojia.
Manana anjara toerana goavana eo amin’ny fanabeazana sy ny fanasitranana ny ratram-pon’ny ankizy ny angano. Fanasitranana ny aretina mahazo ny mpitantara sy ny mpihaino ihany koa izy io. «Manasitrana ny mpitantara sy ny olona itantarana ny angano», hoy Ny Eja, mpitantara angano, raha nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy fa marobe ireo ankizy manana ratra anaty, indrindra ireo miaina anaty fari-piainana sahirana. Matetika mifatratra any amin’ny ankizy foana ny hatezerana sy ny tsy fahampiana ary ny olana samihafa miseho eo anivon’ny tokantrano. “Ny ankizy, araka izany, no tena mizaka ny mafy indrindra sy ny olana iainan’ny ray aman-dreny amin’ny fiainana eto Madagasikara, toa izany koa ny any ivelany”, hoy hatrany izy. Ezaka ataon’ny mpitantara sy mpiangaly angano, noho izany, ny fanampiana ny ankizy hanala sy hanasitrana ireo ratram-po mahazo azy. “Tsy mijanona ho mpitantara angano ihany fa mpanasitrana fo maratra isika mpiangaly izany”, hoy hatrany izy nanazava. Falifaly sy mitsikitsiky ny ankizy rehefa mihaino ny angano tantaraina aminy ary hadinony ny olana iainany sy ny ratra any am-pony any. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny olona tadidin’ny ankizy mandrakizay ny mpitantara angano, noho izay fanafody entiny izay. “Nisy mpitantara angano iray izay mahafaly ahy ary tsaroako foana satria nampahery ahy sy nahatonga ahy hijoro teo amin’ny fiainako ka nahatoy izao ahy”, hoy ny lehilahy iray nanontaniana. Ny fahatsapana izany no antony nanaovany ny fikarakarana fampiofanana ho an’ireo olona naniry ny hitantara angano tetsy Analakely, ny herinandro lasa teo. Tsy natokana ho an’ny ray aman-dreny ihany ny fitantarana angano, fa efa afaka mianatra izany avokoa ny rehetra, eny fa na ireo tanora any amin’ny Lycée aza. “Mora mifankahazo resaka kokoa ny tanora samy tanora ka azo atao tsara, araka izany, ny fitantaran’ny mpianatry ny lycée angano”, hoy hatrany izy.
Nanam-pahendrena ny Ntaolo
Lahabolana sy tantara foronina tsy voatery ho nisy izay natao ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana taratry ny zava-misy teo amin’ny fiainana ny “Angano”, raha ny famaritana azy. Mifono anatra mandrakariva izy. Toy ny fahalalana, fahendrena, fahaiza-miaina ary fitsipi-piainana. Samy hafa ny endriky ny fitantarana angano fahiny sy ankehitriny. Tafiditra tanteraka tao anatin’ny fanabeazana ny angano fahiny.”Nanam-pahendrena ny Ntaolo raha oharina amin’izao fotoana izao satria notaizaina tao anatin’ny angano izy ireo », hoy hatrany Ny Eja. Mifono anatra sy fahaiza-miaina ary fahendrena ny angano fahiny. Fitaovam-panabeazana natao hahaliana sy hampitolagaga ary hisintonana ny fo amam-panahin’ny mpihaino na mpamaky ihany koa izy io. Mampivoatra ny fiarahamonina ny angano satria natao hamolavola olom-banona sy ho mendrika hiara-miaina izy. Maneho ny fomba fijerin’ny Malagasy ny tontolo nisy tany am-piandohana ny angano. Tsy nisy Sekoly fahiny, noho izany, nentina nanazava ny zavatra tsy takatry ny saina sy ny fisiana na ny fiforonan’izao tontolo izao ny angano. Ankehitriny, tsy dia misy heviny firy intsony ny angano amin’izao fotoana izao fa rehefa mampifaly sy mampitsikitsiky ny ankizy mihaino dia izay ny tanjona. Amin’ny fotoana takariva, alohan’ny hisakafo hariva ny fitantarana angano, amin’ny ankapobeny. Fotoana hitafatafan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy ny anton’io fotoana io. Natao hifanoroana sy hifananarana eo amin’ny mpianakavy ihany koa.
Ny Eja, manome endrika ny kanto ataony
Solonomenjanahary Ranivoarisoa Eugénie Monique, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ny Eja. Midika hoe mahitsy sy mariky ny haingo sy ny hatsarana io anarana entiny io ka antony nisafidianany izany hoenti-misehatra eo amin’ny literatiora malagasy. Nomeny endrika sy haingo tsara indrindra izay tiany ny teny malagasy mandritra izany. Mba hahafantaran’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny literatiora. Mpitantara angano izy talohan’ny naha poeta azy. Nampiasa sy niaina ary nanomboka nitantara angano izy teo amin’ny faha-13 taonany. Nanoratra tantarakely ho an’ny ankizy, izay azo lalaovina amin’ny sehatra maro ihany koa izy. “Tiako efa hatramin’ny mbola kely ary efa ao anaty ra mihitsy ny angano ka nahatonga ahy hisehatra eo amin’ny fitantarana angano”, hoy izy nanazava.
Anisan’ny mampiavaka ny angano amin’ny karazana literatiora hafa ny fiatombohany amin’ny “Indray andro, hono, …”; “nisy, hono,…”; “fahiny ela be, hono,…”; “fahagolantany, hono,…”. Miafara amin’ny hoe: “angano, angano, arira, arira,…” kosa izy. Tsy voatery ho olona ny mpandray anjara anatin’ny angano fa mety ho biby, hazo, olona mihinana olona…
Nanatontosa : Mino