Na efa tsy eo intsony aza i Clarisse Ratsifandrihamanana. Misy hatrany ny fivoahan’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny boky mirakitra ny tantaran’« Ikalomanga », navoaka omaly.
Notontosaina, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ikalomanga », sanganasan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Ny taona 1967 no nanoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy ity ny tantaran’ Ikalomanga. Zazalahikely avy any ambanivohitra nila ravinahitra taty Antananarivo niaraka tamin’ny fianakaviany. « Na tao anatin’ny fahantrana aza, niezaka ny nihary am-pahamarinana sy am-pahitsiana ry zareo », hoy Ranjatohery Harilala, akademisianina nanao ny teny fanolorana sy ny famaranana, raha namintina ny tantara voarakitra ao anatin’ny boky. Ny Edisiona Ambozontany kosa no nanonta ny « Ikalomanga ».
Tamin’ny alalan’ny famakian’ireo taranany ny ampahany voarakitra ao anatin’ny boky no namintinana ny tantara. Nisy ny fanehoana ny soradihy Ikalomanga ary ny nampahafantarana ilay hira mirakitra ny hafatr’i Clarisse Ratsifandrihamanana ho an’ny taranany sy ny sary mirakitra ny ampahany amin’ny tantarany.
Hisy ny efitrano hitondra ny anarany
Nomarihin’i Augustin Andriamananoro, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina fa hojerena ny hisian’ny efitrano hitondra ny anaran’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Mahatratra 100 isa kosa ny boky « Ikalomanga » hovidian’ ity minisitera mpiahy ny kolontsaina ity. Naneho ny fahavononany hamadika ho sarimihetsika ny ampahany amin’ny tantaran’Ikalomanga ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Mahafehy tanteraka ny teny malagasy i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. « Fahatsorana sy halalina. Voambolana tsotra. Ao koa ireo tsy faheno firy. Misy aza ny tsy voarakitra any anaty Rakibolana… Tazana ao anatin’ny asasorany avokoa », hoy hatrany Ranjatohery Harilala.
HaRy Razafindrakoto