Tontosa ny zoma 28 marsa teo, tetsy amin’ ny efitrano fivorian’ny Lapan’ny prefektiora Mangarano, ny fivoariambe na loabary an-dasy notarihin’ny governoram-paritra Rafidison Richard Théodore. Natrehin’ ny hery velona rehetra eo amin’ny tanàna. Nivoitra tamin’izany ny anton’ny fahatsentsenan’ny tatatra.
Nivoitra tamin’izany ny antony mahatonga ny fiangonan-drano sy fahatsentsenan’ny lakandrano sy tatatra any Toamasina sy ny manodidina. Nikaro-bahaolana hamahana izany, araka izany, ireo tomponandraikitra rehetra tonga nivory. Anisan’ ny notakin’ny filoham-pokontany 138 ny handravana ireo trano sy fotodrafitrasa miorina eny ambony tatatra sy lakandrano. “Ho sahy ve ianareo raha handray andraikitra hiaraka aminay handrodana ny fanorenana tsy ara-dalàna” hoy ny prefet an’ i Toamasina, Ambinintsoa Jean José. Nohamafisin’ny governoram-paritra, Rafidison Richard Théodore, fa tombontsoan’ny fiarahamonina sy tanànan’ i Toamasina ny fanapahan-kevitra toy izao. Atao amin’ny alalan’ny famoahana “ordonnance” handrodanana trano sy fotodrafitrasa tsy ara-dalàna izany.
Nivoaka nandritra ny fivoriana ny tsikera mamaivay azon’ny teo anivon’ny kaominina mahakasika io olana io. Teo ihany koa ny fanehoan-kevitra nandraisan’ny kaomisiona rehetra anjara. “Feno mpanera eo anoloan’ny servisy teknika, mpiasan’ny kominina ihany no mitsena olona hiditra ao sy manontany ny antontan-taratasin’ireo olona hanorina fotodrafitrasa sy trano. Vokany, tsy misy ny vola miditra ao amin’ny kaominina satria tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna avy amin’ny kominina ilay trano haorina, fa miandry ny fanamboarana mba tsy hisy hikitika fotsiny”, hoy i Lama Victorien, filohan’ny fokontany 11/46 Mangarano. Nohamafisiny fa tsy vitsy ireo fangatahana hanorina trano tsy mandalo amin’ny fokontany fa tonga dia eny anivon’ny kaominina. Antony mahatonga izany, ny fahalalana olona ambony na dia tsy misy aza ny fahazoan-dalana ara-dalàna.
Nanjavona ny vola hananganana tetikasa
Ankoatra izay, namaky bantsilana ny fanjavonan’ny volabe saika hanajariana ny lakandrano sy tatatra ihany koa ny talen’ny servisy teknikan’ny kaominina efa misotro ronono, Rabe Vincent. Voalaza fa efa nisy vola 1,5 miliara Ar tamin’ny taona 2018 avy amin’ny minisiteran’ny Rano fa tsy hita. Vola hangadiana tatatra avy eo Valpinson, Morafeno. “Etsy ankilany, nanome vola hamitana ny tetikasa ihany koa ny avy any Ambatovy. Fa tsy hita ihany koa anefa ny vola”, hoy hatrany izy. “Vahaolana ny fametrahana dobo an-drenivohitra sy fangadiana lakandrano vaovao hivarinan’ny rano rehetra avy amin’ny godorao, isan-tokantrano ary ny orinasa” hoy hatrany izy.
Miteraka aretina ny rano mihandrona
Tandindomin-doza ny fahasalamam-bahoaka noho ny fisian’ny ranobe any an-toerana rehefa avy ny orana, vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano sy ny tatatra. Vokany, Maro ny voan’ny aretin-koditra misy mivontovonto sy mangidihidy amin’ny vatana rehetra. Eo ihany koa ny fivalanana sy ny radaka boka noho ny fiparitahan’ny loto etsy sy eroa. Miteraka vay eo amin’ny faladihan’ny ankamaroan’ny olona ihany koa izany, raha ny zava-misy. “Hola-potaka” na vay mivoraka ary mangidihidy sy marary ny fiantombohan’ny aretina.
61 taona lasa izay ny fanorenana lakandrano tany an-toerana
Efa ho 61 taona lasa ny fanorenana lakandrano sy dobo ary tatatra tany Toamasina. Teo anelanelan’ny taona 1959 hatramin’ny 1963 izany. Tsy mbola nisy mpitondra tany an-toerana namorona dobo na lakandrano na tatatra hivarianan’ny rano. Nanome vahana ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa tsy ara-dalàna eny ambony tatatra ny ankamaroan’izy ireny, raha ny fanazavana hatrany.
Nanatontosa : Sajo