Aretina vokatry ny loto : mahavaky tsinay ary mitarika amin’ny tsy fahatsiarovan-tena lalina ny tefoidra

Vanim-potoana mampirongatra aretina maro ny fahavaratra tahaka izao. Antony ma­ha­tonga izany ny fiparitahan’ny loto entin’ny rano sy ny fako eny rehetra eny ka mampiparitaka ny tsimokaretina. Tafiditra ao anatin’izany ny tefoidra na fièvre typhoïde.

Aretina mety mahafaty vokatry ny otrikaretina antsoina hoe: “Salmo­nella typhi” ny fièvre typhoïde. Anisan’ny aretina azo avy amin’ny loto izy io ary mahafaty raha tsy voatsabo ara-potoana, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. «Azo avy amin’ny sakafo na rano tsy madio, ahitana ny tsimokaretina izany. Miditra amin’ny lalandra ary mihamaro izy rehefa tafiditra ao amin’ny vatana. Mankany amin’ny tsinay avy eo, miteraka fivalanana, aretina an-doha ary hafanana be loatra eo amin’ny olona iray », hoy ny mpitsabo etsy 67ha, Dr Rakotonindrina Norbert.
Azo tsaboina 100% ny aretina tefoidra raha toa ka voavonjy ara-potoana. Miseho amin’ny alalan’ny tazo mitarazoka, harerahana diso tafahoatra, maloiloy, mandoa sy mivalana, marary kibo ny aretina ary marary an-doha sy miakatra hafanana be amin’ny ankapobeny. Mananosarotra ary mitarika any amin’ny fahafatesana kosa izany raha tara ny fitsaboana azy. Ankoatra ny fahafatesana, lasa tafakatra 40 hatramin’ny 50°C ny hafanan’ny olona rehefa mananosarotra ny aretina, lasa mivalana impolo isan’andro, tsy mahita tory ary tsy mahahinan-kanina ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra izay, lasa malemy ihany koa ny tsinay ary mety ho vaky ao anatin’ny vatan’olombelona izany raha tsy voatsabo. Eo ihany koa ny tsy fahampian-drano eo amin’ny marary. Mety ho tonga any amin’ny tsy fahatsiarovan-tena mandritra ny andro maro ihany koa izany satria lasa miakatra any amin’ny atidoha ny aretina.

Mahatonga ny aretina ny vaonkazo misy tsimokaretina

Maro ny mihevitra fa ny fihinana voankazo manta no mahatonga ny olona ho voan’ny tefoidra, raha ny fanadihadiana natao hatrany. “Maha­tonga ny aretina avokoa na voankazo manta na masaka rehefa tsy voasasa tsara, raha toa ka mitondra ny tsimokaretina izany”, hoy hatrany ny mpitsabo, Dr Rakotonindrina Norbert. Manampy izany koa, ny fihinana sakafo amin’ny tanana maloto, ny fipetrahan’ny lalitra sy ny moka avy any amin’ny diky sy ny tatatra eo ambonin’ny sakafo hohanina, izay anisan’ny mamindra ny aretina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Fanefitry ny aretina ny fanaovam-baksiny antsoina hoe : “TAB”, indrindra ho an’ny miaramila. Nilaza ny mpitsabo fa tsy dia ilaina loatra ny fanaovana io vaksiny io raha toa ka mahatandrina tsara ny fahadiovana ny olona iray.

Azo tsaboina amin’ny alalan’ny antibiotika ihany koa ny aretina

Ankoatra ny tsindrona sy ny vaksiny, azo atao tsara ny mitsabo ny aretina amin’ny alalan’ny antibiotika. Ahina ny mbola hiverenan’ny aretina na dia efa nanjavona aza ny otrikaretina ao amin’ny vatan’ny olona iray ka tsy mitandrina. Ilaina foana, araka izany, ny malina sy mitandrina ary mitandro ny fahadiovana. Tsara hatrany ny hanarahan’ny olona voan’ny aretina ny fihinanana fanafody hatramin’ny farany, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Eo koa ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana. Fadiana kosa ny mikarakara sakafon’olon-kafa mba hanenana ny tahan’ny fifindran’ny aretina.

Lafo dia lafo ny vaksiny TAB, fanefitry ny tefoidra

9 tapitrisa isan-taona ireo olona tratran’ny aretina fièvre typhoïde maneran-tany. Mahatratra 110 000 kosa ireo maty vokatr’izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny fandaharanasa misahana ny fanaraha-maso ny aretina typhoïde aty Afrique (TSAP), tamin’ny taona 2019. Manodidina ny 171 amin’ny mponina 100 000 ny voan’ny aretina tefoidra ao amin’ny tanànan’Imerintsiatosika, eto Madagasikara. Lasibatra amin’izany ny ankizy latsaky ny 15 taona.
Nandripaka olon-tsotra sy miaramila betsaka ity aretina ity tamin’ny andro taloha. Mitovy ny sakafon’ny miaramila ka raha vao misy sakafo iray misy otrikaretina dia voa avokoa ny rehetra ary betsaka ny maty vokatr’izany. Nampanaovina vaksiny TAB avokoa, araka izany, ireo miaramila mba hanomezana hery fiarovana sy hisorohana ny aretina. Ankoatra izay, tsy maintsy nanao io vaksiny io ihany koa ny mpitsabo sy ny mpianatra miofana ho mpitsabo rehetra, satria mifanerasera amin’ny olona voan’ny aretina. “Mbola misy io vaksiny io hatramin’izao fotoana fa saingy lafo dia lafo”, hoy hatrany ny mpitsabo nanontaniana. Tsy tafiditra ao anatin’ny Programme élargi de vaccination (PEV) eto Madagasikara izy io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Izany hoe, tsy raisin’ny fanjakana an-tanana ny fahafahan’ny olona manao izany. Voatery mividy lafo dia lafo, araka izany, ireo olona maniry sy tsy maintsy manao izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy maintsy manao rappel kosa ny olona rehefa mahavita ny voalohany, anisan’ny olana eo amin’ny ankamaroan’ny olona tsy manana fahefa-mividy izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Olan’ny ankamaroan’ny olona ny tsy fananana vola enti-mitsabo tena ka mahatonga ny aretina hanano sarotra sy hahafaty.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: