Rotsakorana tany Toamasina: miaka-bidy ny ankamaroan’ny entana, mirongatra ny hala-danja

Anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ ny mponina manerana ny Nosy amin’ izao fotoana izao, manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisan’ izany ny any Toa­ma­sina sy ny manodidina, izay nanaovana fanadihadiana.

Saika miaka-bidy avokoa ny filana andavanandron’ ny mponina isan-tokantrano ho an’i Toamasina ambonivohitra manokana. Manodidina ny 3 400 Ariary ny iray kilao amin’ny vary, 12 000  hatramin’ny 15 000 Ariary ny litatra amin’ny menaka madio, 500 Ariary ny singany iray amin’ny voatabia sy tongolo, kely indrindra. Mananika ny 15 000 hatramin’ny 18 000 Ariary kosa ny kilaon’ny legioma. Tafakatra 20 000 Ariary ny kilaon’ny akoho sy henan’omby mifangaro. Raha toa ka 25 000 Ariary kosa ny henan-kisoa. Anton’izany, ny fisian’ny rotsakorana tsy ankiato nen­tin’ny rivodoza Gamane tany an-toerana. Maro ihany koa ny fahamaroan’ny lalana tapaka tamin’ ny lalam-pirenena faharoa iny. Na dia efa niverina amin’ny laoniny aza ny ankamaroan’ny lalana ankehitriny. Zavatra tsapa, tsy mbola nidina ny vidin’entana hatramin’izao fa vao mainka aza miakatra, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
Ankoatra izay, mirongatra ny hala-danja ataon’ny mpivarotra manoloana ireo zava-misy ireo. Mampiasa fitaovam-pandanjana tsy manara-penitra ny ankamaroan’ny mpivarotra mba hanenana ny entana lanjaina sy hampitomboina ny vola miditra.
Midina ifotony ny tomponandraikitra
Manoloana ireo olana rehetra any amin’ny tanànan’i Toamasina sy ny manodidina ireo, miezaka midina tampoka eny ifotony ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana, manara-maso ny mpivarotra. Mba hamahana ny olana sy hikaroham-bahaolana ary hijerena ny tombontsoa ho an’ny mponina tsy ankanavaka. Gia­za­na, mandritra izany, ireo fandanjana tsy manara-dalàna. Manohy sy manao ny fangalarana hatrany ireo mpivarotra na dia eo aza izany, raha ny zavatra tsapa.
“Tsy azo ekena ny fanararaotana ny mponina efa sempotry ny fahasarotam-piainana andavanandro. Tsy ekena ihany koa ny fangalarana manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana”, hoy ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana, Belalahy Berchomas, nandritra ny fidinana ifotony.

Simba eny an-tanimboly ny vokatra
Ho an’ i Toamasina faharoa kosa, misedra fahasahiranana goavana ny tantsaha taorian’ny oram-be nandalo teo. Tototry ny rano sy atsanga ny ankamaroan’ny tanimbary any an-toerana. Simba sy lo ihany koa ny vokatra tavela eny an-tanimboly. Tsy maintsy notangosana sy nohadiana tsy matoy avokoa, araka izany, ny vokatra. Toy ny soanambo, voasary, mangahazo, vomanga… Hamidy mba hivadika vola hividianana vary sy fanafody ary filana isan-karazany ho an’ny tantsaha. Mbola handoavana saran-dalana ny vokatra rehetra raha avy any ambanivohitra hamonjy tsena any Toamasina. Tsy misy mpividy anefa ny entana ka lo sy simba eo an-tsena ny vokatra, raha ny fanadihadiana natao hatrany.

Vary 78 800 kitapo simba sy lo ary potehina

Misy vary 78 800 kitapo lo sy simba any amin’ny magazay vitsivitsy tantanin’ireo Pakistanais ao Antanandava, nandritra ny fifampiresahana tamin’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana, Belalahy Berchomas. Fantatra nandritra ny fitsirihana sy fidinanana ifotony nataony tany an-toerana izany. “Haverina any amin’ny firenena niaviany ny ampahany amin’ ireo vary simba ireo. Mba hanehoana fa tsy avy amin’ny mpanafatra ny mahatonga ny vary ho simba na te hanaparitaka vary simba sy lo eto Madagasikara”, hoy hatrany ny tatitra voaray tamin’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana. Tanjona ny hahafantaran’ny mpanondrana vary mankaty Madagasikara fa sarotiny amin’ny fisian’ny vary simba sy lo miparitaka eny an-tsena ny firenena malagasy. Saika vary voasokajy ao amin’ny kategoria fahatelo aondrana eto amin­tsika ireny karazana vary ireny.

Mirongatra ny aretina tsy fantatra any an-toerana
Fanampin’izany, mirongatra ny karazana valanaretina any ambanivohitra. Toy ny fivalalana, parasy, ny tongotra feno fery, holapotaka, vatana mangidihidy ary ny hoditra lasa mihangeza sy mibontsina.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: