Nieren-doza ny tontolo mananaina teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Nihena ny fanimbana ala na teo aza ny hetsika ara-politika, toy ny fifidianana, ohatra.
Tsara amin’ny ankapobeny ! Nilaza ny tale mpanatanteraka (D.E) ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM), Raharijaona Alain Liva, fa nahafapo ny zava-misy raha aravona, na efa niomana ny mety hisian’ny tena ratsy aza ny mpitantana faritra arovana.
Mamatsy ara-bola ny mpitantana ny faritra arovana (AP) eto Madagasikara ny FAPBM. Miisa 70 ny AP notohanany ara-bola amin’ity taona 2024 ity, manodidina ny an-tsasaky ny faritra arovana rehetra eto amintsika. Mahatratra 6 tapitrisa ha ireo AP miisa 70 ireo. Tafakatra 21,8 miliara Ar ny famatsiam-bola avy amin’ny FAPBM niarovana ny tontolo mananaina any amin’ireo AP ireo, ny taona 2023, raha toa ka 14,4 miliara Ar ny taona 2022. Nambaran’ ny D.E-n’ny FAPBM, fa, anisan’ny nahafahan’ireo mpitantana ny AP notohanana, nampihodina ny fitantan-draharahany anatiny izany vola izany. Toy ny nandoavana ny karaman’ny teknisiana manokana, ny tambim-bola ho an’ny vondrona olona any ifotony, ohatra. Eo koa ny tetikasa mifandraika amin’ny fiarovana sy ny fampandrosoana any ifotony. Nomarihiny fa tena lafo
sy midangana ny fiarovana ny ala, ka mampihena ny fandanian’ireo mpitantana ny AP ny famatsiam-bla avy
amin’ny FAPBM.
1,5% isan-taona ny ala ringana
Eto Madagasikara ny 5%-n’ny tontolo mananaina maneran-tany. Anisan’ny fanamby lehibe ny fiatrehana ireo tsindry mpahazo azy ireo, indrindra ny faharinganan’ny tontolo iainana. Araka ny antontanisa nomen’ny D.E, Raharijaona Liva, manodidina ny 1,5% ny salanisan’ny ala ringana isan-taona eto Madagasikara, raha toa ka 0,6% izany ho an’ny AP tohan’ny FAPBM. «Izany no mahatonga anay mitsinjo ireo vondrona olona any ifotony. Satria tsy manam-bola ny fanjakana, sady tsy ampy ny vola avy amin’ny fizahantany», hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy