Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforomporon-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana.
Mila fitandremana be ny famoronana teny na voambolana iray, satria, ny teny manan-kery. Mety ho hery ratsy, mety ho hery tsara. Mety tsy hisy fiantraikany ihany koa anefa, satria, poakaty. Noho izany, mila miloa-bava manoloana ny kiforomporon-teny ny mpikaroka. Mila manome ny heviny. Mila manitsy ny diso, raha ilaina. Matetika mantsy, zary « kabary tsy valiana » ireo kiforomporon-teny miala avy any amin’ireo mpanoratra, mpanao sy mpilalao politika, manam-pahefana isan-tsokajiny, sns.
… Hatramin’izao, rahateo, tsy mbola manana sehatra ankatoavin’ny rehetra amin’ny famoahana teny vaovao, ny Malagasy. Raha ho tonga ny fametrahana marina azy io, tsy tokony ho ireo be diplaoma ihany no antsoina ho mpikambana ao aminy fa ilaina ny fandraisana anjaran’ireo raiamandreny manam-pahalalana sy fahendrena. Tsy zava-baovao amin’ny Malagasy izany fa soatoavina niainany hatramin’izay.
HaRy Razafindrakoto