Iankinan’ny fanamorana ny fanaovan-taratasy eny amin’ny biraom-panjakana ny fisian’ny torohay ho an’ny daholobe, tsotra sy mora raisina. Mbola lesoka anefa izany eto Madagasikara. Manao ezaka ny Ivotoro mampahafantatra ireo manan-draharaha.
Mbola olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny torohay ho an’ny daholobe eny amin’ny sampandraharaham-panjakana. Miteraka fisalasalana eo amin’ireo olona mila raharaha eny amin’ny biraom-panjakana izany. Miteraka kolikoly sy tsy fahatokisana ireo mpiasam-bahoaka ihany koa izany.
Izany indrindra no antom-pisian’ny ivontoerana fakan-kevitra momba ny raharaham-panjakana na ny Ivotoro izay manangona ny angon-kevitra tsara ho fantatra hanampiana ny olona amin’ny torohay samihafa amin’ny sehatra maro.
Araka ny tatitra nataon’ny talen’ny Ivotoro, Randrianarivo Harimé, dia efa mahatratra 3 392 ny angon-kevitra ao an-toerana hatramin’ny faran’ny volana marsa teo. Manampy betsaka ny olona amin’ny fahafantarana ireo antontan-taratasy sy vaovao ilaina mahakasika ny raharaham-panjakana ny fananana ireo angon-kevitra ireo.
Efa mihena ny antso an-tariby voaray amin’izao fotoana satria 5 hatramin’ny 10 isan’andro izany sisa raha nahatratra 200 ny antso voaray tany aloha.
Ananan’ny ivotoro avokoa ny tsara ho fantatra raha hanao taratasy any amin’ireo minisitera na any amin’ireo birao mikarakara ny tolotra ho an’ny vahoaka.
Nahatratra 306 ny antso voaray nanomboka ny voalohan’ny volana janoary hatramin’ny 17 marsa. Antso avy amin’ny olona tsy fantatra ny 53,59%, ny 22% kosa dia vehivavy no miantso . Olona avy eto Analamanga sy Vakinankaratra ary Atsinanana sy Boeny no tena be miantso.
Fangatahana torolalana na fitarainana avy amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsarana no anisan’ny maro voarain’ny ivontoerana. Be mpitaraina ny resaka kolikoly, fanamparam-pahefana, olana mahakasika ny fananan-tany ary ny fitarazohan’ny fikarakarana taratasim-panjakana. Misongadina koa ny tsy fahatokisan’ny olona ny fitsarana.
Tatiana A