Notapahin-doha tany Maorisy… : niniana nohadinoana tanaty tantara ve Ratsitantanina?

202 taona omaly no nanapahan-doha ny Printsy Ratsitantanina… Tsy dia fandre rehefa miresaka ny tantaran’i Madagasikara, kanefa mipaka hatrany amin’ny tantaran’ireo nosy rahavavy ny momba azy.

15 avrily 1822 – 15 avrily 2024. Feno 202 taona omaly ny nanapahan-doha ny Printsy Ratsitantanina, tany amin’ny Nosy Maorisy. Nanamarika ny tantaran’i Madagasikara sy ny fifandraisany tamin’ireo nosy rahavavy izany, na dia tsy voaresaka matetika aza. Tsy navelan’ireo taranaka sy ny mpahay tantara handalo fotsiny anefa, ka nisy ny fanamarihana izany, omaly, tetsy amin’ny efitrano Havoria, ORTM Anosy. Tsy ny fahatsiarovana ny nahafatesany fotsiny no tian’ireo taranaka sy ireo mpahay tantara navoitra, fa indrindra ny fampahafantarana ny zava-nisy tamin’izany fotoana, izay namaritra ny tantaran’i Madagasikara sy ireo nosy rahavavy tamin’ny ankapobeny mihitsy. Fampahafanta­ra­na, fampirantiana, fanomezam-boninahitra ary adihevitra maromaro no notontosaina, nandritra ny tontolo andro.
“Ratsitantanina sy ireo nohadinoin’ny tantara”, ny lo­hahevitra novoaboa­san’An­dria­mihaja Nasolo Valiavo, na i Vanf. Voavaly tao anatin’izany indrindra ny fanontaniana nahaliana ny maro hatramin’izay, rehefa miresaka momba azy: “Niniana nohadinoana tanatin’ny tantara ve Ratsi­tantanina?” Nanamafy izany ny famelabelaran-kevitra fa­ha­roa izay nampitain-davitra, notarihin’i Stephan Karghoo, mpikaroka sy mpahay tantara. Nohatevenin’ireo manam-pahaizana momba ny tantara maro izany, indrindra ny mom­ba ny paikady nalaina tamin’ny fanorona, izay nahafantarana ny printsy Ratsitan­tanina.
“Fa iza izany ny Printsy Ratsitantanina?” Raha fintinina fohy, mpanolotsain-dRa­dama Rainy, ary havany ihany izy. Misamboaravoara ny tantara, noho ny ezaka fanafenana ny marina. Ny zava-nisy aloha, nalefa sesitany tany amin’ny Nosy Maorisy izy, noho ny tsy fitovian-kevitra teo aminy sy ny mpanjaka. No­heverina koa fa nikasa hamono ny mpanjaka izy tamin’izany.Voalaza koa fa nikononkonona ny famonoana an’i James Hastie, izay nalefan’ny fitondrana britanika hanolotsaina an-dRadama I izy. Nitsoaka ny fonja tao Saint Louis, ka nitarika ireo andevo nioko Ratsitantanina. Nota­pahin-doha rehefa tratra, ary mbola any amin’ny Nosy Mao­risy ny karany ankehitriny.
Antony iray hanatontosana ny fahatsirovana any Maorisy amin’ny taona ho avy izany, raha ny nambaran’Andriani­laina Adrianasolo, solontenan’ny taranany. Efa misy tetikasa novolavolaina ihany koa amin’ny fampodiana ny karandohan-dRatsitantanina.

Zo ny Aina

Partager sur: