Famerenana na fanarenana ifotony

Tsy milamina be ihany ny tontolo politika amin’izao: tsy hita be ihany, saro-binanina sy tsy ampoizina izay mbola mety hitranga… Hanao ahoana? Tsy inona fa ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka saika nataon’ny Antanimierampirenena tamin’ny governemanta. Mbola mampanontany tena ny sasany ao anatiny na mpitazana ety ivelany izay antony fototra nampiatoana na nampikatso izany: tsy araka ny fitsipika anatiny ny dingana sy ny fombafomba narahina sa ny fandaminana politika no nampangingina ratsy ny raharaha? Lazaina mandrakariva fa ambonin’ny lalàna ny famahana olana politika, rehefa sendra ny mafy sy sarotra.

Hanao ahoana àry ny ho tohiny sy ho farany? Mangingina ratsy fa tsy milamina tanteraka. Vao mainka nampitarazoka ny famahana olana ny nanafoanana tampoka ny fifanatrehana mivantana eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny Governemanta? Na mahalalina ny elanelana… Tsy vita ny fifanatrehana mivantana sao misy fifandonana? Dia mety mialin-taona eo… Raha tsy mby amin’ny hoe ny ela manova zavatra. Hampanginina sy halamin’ny fotoana ho azy miandalana eny? Ho hita eo… Efa vaky bantsilana iny ny disadisa, tsy takona afenina, tsy azo odian-tsy hita… Nahoana, ohatra, raha tena nifanazavana indray mandeha tsy miverina?

Saro-pady ny toe-draharaha amin’izao. Sanatria, mby amin’ny ahiahy tsy ihavanana lava amin’ny fahatahorana krizy na korontana politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana? Vao mainka mahasarotra izany ny hoe ny samy eo anivon’ny fitondram-panjakana no misy tsy fifankahazoana na fifandroritana. Tandindomin’ny fifidianana? Tsy tongatonga ho azy izay nitranga, fa misy antony sy dikany avokoa. Mila fanazavana, fandaminana… Raha tsy izany, mitoetra sy miotrika hatrany ny disadisa. Avela mandra-pahoviana?

Mila famerenana ifotony? Na fanarenana, na fanorenana… Tsy ny toe-draharaha ihany aza izany, fa eo koa ny fifandraisana eo amin’ny samy andrimpanjakana, ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ho voavaha amin’ny fanaovana tari-dositra ve ny olana? Na vita amin’ny hoe odian-tsy hita… Nefa ilaina mandrakariva ny fitoniana sy ny fifampitokisana.

Rafaly Nd.

Partager sur: