Mahoraka ny fanovana ny dahalo ho olom-banona any amin’ny faritra Menabe, tarihin’ny kolonely Faneva. Zatovolahy analinkisa no miriorio eraky ny tanàna fa “niova fo”. Mahafaly ny mponina any an-toerana izany. Mampitsiriritra ny any amin’ny faritra hafa, indrindra ireo toerana izay mbola hanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny olon-dratsy. Voasoroka mialoha ny fandikan-dalàna samihafa.
Inona ny sakana tsy hisian’ilay kolonely “faneva” be dia be manerana ny lafivalon’ny Nosy? Firifiry ny manamboninahitra ambony, mitovy laharana aminy, manana angovo mitovy aminy kanefa tsy afaka manao tahaka ny ataony? Samy manana ny fomba fiasany no valinteny azo raha mba manao fanadihadiana. Misy aza no sahy manakiana sy manenjika azy.
Tsy voatery ho mety sy ho marina 100% rahateo ny zavatra ataony. Maro anefa ny toerana nolalovany no nandry fahalemana tanteraka. Misy koa ny toerana izay mbola hanjakan’ny asan-dahalo ka ilana ny fanohizana ny asa natombony.
Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy. Paikady iray mahomby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny tsy fampiasan-kery. Tsy misy herisetra voalamin’ny herisetra, indrindra fa mitsipozipozy raha mitaha amin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana. Mainka zava-doza no miseho raha mbola tsy foana ny mpamosavy malemy sy ny dahalo ambony latabatra mamono ny namana.
Ny olombelona samy olombelona mifampiresaka no mahavaha olana amin’ny ady atao amin’ny fandikan-dalàna isan-tsokajiny. Mitombona io na ho an’ny aty an-drenivohitra na any ambanivohitra. Ity farany izay mbola mandala ny atao hoe “fiarahamonina” sy fifanajana. Marina fa misy ny fandoto iray tandroka saingy tsy ireny no tsy ahafahana miara-mirona ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro.
r.r