Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika anio, fahatelon’ny volana mey. Ny taona 1993 no nankatoavin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana izany. Ho fanamafisana
ny tolokevitra avy amin’ny fihaonambe faha-26 ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fanabeazana sy ny siansa, ary ny kolontsaina na ny Unesco, natao ny taona 1991 izany. «Fampahalalam-baovao miasa ho an’ny planeta : fahatrotrahan’ny tontolo iainana sy ny hamehana eo amin’ny asa fanaovan-gazety» no lohahevitra hanamarihana izany, anio.
Miavaka ny fankalazana izany eto Madagasikara. Mifanojo amin’ny fanamarihana ny faha-50 taona niorenan’ny Holafitry ny mpanao gazety. Maro ny hetsika eto an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra. Samy manomana anaty hetsika iray ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina. Iray no tanjona, fanomezan-kasina ilay asa.
Raha ho an’i Madagasikara manokana, andro iray natao isainana koa ny anio. Andaniny mahakasika ny firaisankinan’ny samy mpanao gazety. Tsy takona afenina ny fizarazarana sy ny fisian’ny kiefitrefitra. Samy mitondra ny lohany. Baikoin’ny firehan’ny tompon’ny gazety sy ireo haino aman-jery iasana. Mibaribary ny samy maka ho azy ary dia misy mahasahy mifamotika mihitsy.
Ankilany, mila ezaka mafy ny ady atao ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Faha-101 amin’ny firenena 180 maneran-tany i Madagasikara, ny taona 2023, raha faha-98 tamin’ny taona 2022. Ny tontolo politika sy ny toekarena, ary indrindra ny fisian’ny kolikoly no anisan’ny mahatonga ny olana sedrain’ny mpanao gazety.
Tsy natao ho fety ny anio fa andro entina mandini-tena. Tsy ampy ny fahafahana fa mitaky andraikitra ho fanatsarana ilay tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny tolotra homena ny mpanjifa ihany koa.
r.r