Tsy hisy vehivavy maty eo am-piterahana na mandritra ny fitondrana vohoka raha ampitomboina ny isan’ny mpampivelona, ahafahan’ny vehivavy rehetra miaina tsara ny fananahany ara-pahasalamana (isan’ny zaza ateraka, tsy firosoana amin’ny firaisana aloha loatra…)
Nandray ireo vehivavy mitondra vohoka mila fitarafana, échographie, ny clinique mobile napetraka tany amin’ny distrikan’i Farafangana nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpampivelona, tany an-toerana, omaly. Anisan’ny nisitraka izany i Zafitiana mitondra vohoka enim-bolana. Nahazo toky izy fa salama tsara ny zanany ao am-bohoka satria ankoatra ny fisafoana, afaka nojerena tamin’ny échographie ny fitomboany. Lafo ny saran’ny fitarafana amin’ny andavanandro ka faly aho fa maimaimpoana izany androany, hoy ny fanazavany.
Ankoatra ny fisafoana sy ny fampiterahana, manan-danja ny asan’ny mpampivelona satria miaro ny zon’ny vehivavy sy ny tovovavy izy ireo indrindra ny monina any amin’ ny toerana lavitra andalovan’ ny rivodoza matetika. « Manana anjara andraikitra goavana ny mpampivelona ao anatin’ny hamehana vokatry ny voina”, ny lohahevitra nosafidiana ho fanamarihana amin’ity taona ity. Distrika andalovan’ny rivodoza matetika, saika isan-taona, i Farafangana fa tsy mitsahatra mihitsy ny asa fandraisana an-tanana ny mpiteraka sy ny mpisafo ary mametraka fotodrafitrasa amin’ny zava-misy eo an-toerana rehefa simban’ny rivodoza ny toeram-pitsaboana fandraisana ny mpiteraka. Mikarakara ny 90% amin’ny tolotra fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana ny mpampivelona
Eto amintsika, rasazy iray mikarakara olona 16 000, raha tokony ho 5 000 ihany no sahaniny, araka ny fenitra napetraky ny OMS. Any ambanivohitra, mitazona CSB I ny rasazy ary mandray an-tanana ny fahasalamana ankapoben’ny mponina mihitsy ankoatra ny fampisafoana sy fampiterahana. Miasa irery tsy misy mpanampy fa matetika « bénévole » manatanteraka fianarana asa no mampihodina ny CSB miaraka aminy.
Vonjy