13 mey 1972: ho an’ny fampianarana no tanjon’ny tolona tamin’izany

Daty anisan’ny ma­nana ny tantarany eto Madagasikara ny 13 mey, izay tsarovana anio. Daty nisehoana tolona nahery vaika, nokasain’ireo mpitolona ho fanovana ny tantara. Ankehitriny anefa, vitsy ny mpi­anatra, indrindra ny tanora sy ny ankizy, no mahalala izany.

Fototra nijoroan’ny tolona tamin’ny taona 1972 ny mahakasika ny lafiny fampianarana. Ny mpianatra no nitarika sy nitaona ary nifampitaona tamin’izany fotoana izany, noho ny antony maro samihafa eo amin’ny lafiny fampianarana teto Mada­gasikara. Ivony fotsiny ihany ny teto Antananarivo fa niray fo sy saina avokoa ny mpianatra rehetra nanerana ny Nosy. Anisan’ny teraka nandritra ny tolona 1972 ny tarika Mahaleo. «Ho an’ny fianarana sy fampianarana ny tolona tamin’izany. Maro ny nofinofy ho an’ny fanatsarana ny fampianarana saingy mbola tsy nisy tanteraka izy hatramin’izao fa mbola mijanona ho nofy hatrany», hoy i Dama, mpikambana ao amin’ ny tarika Mahaleo.
Nangatahin’ny mpianatra tamin’ny tolona 1972 ny fampianarana tsy miangatra sy afaka manome fitaovana ara-tsaina ho an’ny Malagasy, indrindra ny tanora, ary ma­mo­lavola olom-banona. Tsi­karitra hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena ka hatreo amin’ny taona 1972 ny fisian’ny tsy fitoviana eo amin’ny mpianatra, izany hoe, misy ny fampianarana ho an’ny ma­nan-katao ary misy ho an’ny sahirana. Fomba fampianarana sy endri-pampianarana izay tena tsy nitovy tokoa. Teo ihany koa ny hoe fampianarana manome fitaovana ara-tsaina ny tanora malagasy ahafahany mahafantatra tsara an’i Madagasikara. Natao izany fangatahana izany mba hahatonga ny tanora malagasy, izay nianatra, mitrandraka ny zava-misy eto Madaga­sikara, hisian’ny famokarana miainga avy ato anatiny. Tafi­ditra tao anatin’ny fitakiana tamin’izany ihany koa ny fampianarana mamolavola olom-banona. Fampianarana mampahafantatra ny maha izy azy ny firenena, izany hoe, ny tantara, ny momba azy, ny zava-misy ao aminy, no nangatahina mba hahafahana mifehy ny teknolojia. « Ny fianarana no ahafahana mamolavola ny sain’ny olombelona hamorona ny teknolojia », hoy i Dama, mpahay kanto mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo. Tsy nomena ny mpianatra izany rehetra izany, araka ny nambaran’ity mpahay kanto sady mpitolona tamin’izany ity. Novolavolaina hanonofy ny any ampita sy ny hiaina any indray andro ireo nianatra teto Madagasikara. Tsy namily ny fijerin’ny mpianatra hijery ny eo ambany masony fa nalefa hijery ny any ivelany fotsiny. « Lavaka be ny fianarana sy ny fampianarana eto Madagasikara, tsy manjary ary tsy misy dikany ny fampianarana eto », hoy hatrany i Dama.
Tsy fanomezana hasina ny fampianarana no antony mahatonga izany tsy fanjariana sy faharatsian’ny fianarana sy fampianarana ny Malagasy izany. Lasa olona tsy mahita asa no manao ny asa fampianarana sy mampita izany. « Saro-pady ny fampianarana. Olona novolavolaina hitaiza sy hanabe ary hahatonga ny olona iray ho olom-banona no tokony ho mpampianatra», hoy i Dama. Mbola mitohy ny fanofisana ny hoe rahoviana no hahavita hanova ny lasitry ny fampianarana ahafahana mamolavola olona miainga avy eto ary manasoa ny eto ka mivelatra manerana izao tontolo izao eto Madagasi­kara ? Araka ny nambaran’ity
mpahay kanto ity hatrany, ny tanora no tsy vanona ho lakana, ny tany naniriany no ratsy.

Tokony hamantatra sy hampahafantatra

Ankavitsiana sisa ny Malagasy mahafantatra ny tantaran’izany tolona 13 mey 1972 izany, indrindra ny ankizy sy ny tanora mpianatra. Zava-dehibe anefa ny fahafantarana ny tantaran’ny firenen’ny tena mba hahafahana mandroso. Maro ireo firenen-dehibe no lasa lavitra sy mandroso noho izay tantarany izay. Maro ny antony mahatonga izany. Misy ny antony avy amin’ilay ankizy, misy ny avy amin’ny ray aman-dreny sy ny manodidina, voasaringotra ao anatin’izany ny fampianarana.
Raha ny mahakasika ny antony avy amin’ilay ankizy na tanora no resahina. Misy ny minia tsy te hahalala fotsiny izao satria sodokan’ny tantara sy ny kolontsain’ny firenena hafa ka iny no tiany ho azy, zary lasa manary ny azy izy ireny. Misy kosa indray anefa ny te hahafantatra fa ny manodidina azy no tsy mampahafantatra izany. Voalohany amin’izany ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny. Izy ireo no te hanaraka ny fomba sy ny kolontsain’ny firenena hafa ka ny zanany avy no tsy manana fahaleovantena intsony fa tereny hanaraka izany, na dia liana amin’ny tantaran’ny fireneny aza. Anisan’ny mahavery izany ihany koa ny rafi-pampianarana misy eto Madagasikara. Tsy mahafantatra izany ireo mpianatra raha tsy manao fikarohana sy fandalinana lalina. Ahitana fahasarotana maro anefa ity farany ka very momoka ho azy ny tantara.
Araka izany, ho an’ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny tanora sy ny ankizy mpianatra, tokony hamantatra ireo taranaka aty aoriana ary tokony hampahafantatra koa ny teo aloha.

Nanatontosa : Lin

Partager sur: