Atao ihany ny tsy hiteny fa nakombona ny vava. Niniana nakimpy ny maso, notampenana ny sofina, manoloana ny andavanandron-dRamalagasy sy ny fahantrana lalina izay lalovany. Tsy hita ny hanazavana azy fa toa very sy mikorontan-tsaina avokoa ny olona. Malok’endrika sy mitanondrika izay rehetra mifanena eny an-dalana. Sanatrian’ny vava ho tratran’ny « hadalana » faobe.
Efa notaterina teto ihany, volana maromaro izay, tratry ny fikorontanan-tsaina ny Malagasy iray amin’ny roa. Efa ny antsasa-manilan’ny mponina izany no « mivahavaha ». Ialana tsiny ny teny mahery, fa efa halohalika ny ranom-bary. Ny Malagasy rahateo tsy mba mihetsi-bolomaso rahateo raha tsy velivelesina tahaka izany.
Olam-piarahamonina tena ilana ny fandraisana andraikitry ny fanjakana foibe izany. Tsy afa-miala ny minisitra mpiahy ny Mponina. Ilay departemanta aza anefa ity nilaozan’ny tomponandraikitra voalohany, nilatsaka ho solombavambahoaka indray. Ny mpisolo toerana anefa ity tsy hita handrenesam-peo hatramin’ny nandraisany andraikitra.
Ho aiza ary izany ireto vahoaka tsimandadiharona. Miraviravy tanana sy samy manavotra ny ainy sisa. Tsy mahagaga fa na ny manontany ora amin’olona eny an-dalambe aza izao efa handoavam-bola. Zary fomba fiaina tsy azo ialana ilay « mametraha kely». Samy mitady hirika ny hamolosana sy hitangosana ny vola any am-paosin’ny hafa izay afaka manao izany.
Tena mahantra ilay Malagasy! Miaritra fotsiny sisa, sitrany maty rahampitso. Tsy misy intsony ny fifampitsinjovana sy ny « fihavanana ». Zary teny filamatra fotsiny ilay firaisankina amin’ny minisitera iray. Samy mandeha, samy mitady izao ny sarambabem-bahoaka. Tsy mahagaga raha tsy misy vidiny intsony ny ra sy ny aina fa voasongon’ny vola sy ny herisetra. Mahamenatra fa tena samy resin’ny fiainana avokoa!
r.r