Diso famindra : nopotehin’ny « fanagasiana » ny teny malagasy

Andro vitsy sisa, tafiditra ao anatin’ ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy »
i Madagasikara. Vanim-potoana fanarenana ny lesoka. Fampahatsiahivana ny tantara sy fanitsiana ny dia ihany koa anefa.

Anisan’ny niteraka ny « Raharaha 13 mey 1972 » ny fanaovana tsinontsinona ny mpianatra malagasy. Tafiditra tao anatin’izany ny fampiasana ny teny ma­lagasy any an-tsekoly… Ho fa­narenana ny lesoka, nirona tany amin’ny « fanagasiana » i Madagasikara na­nomboka ny taona 1975. « Nogasiana » avokoa ny ta­ranja rehetra. Ne­zakezahina ny famadihana ireo anarana sy voambolana vahiny, ho teny malagasy. Nipoitra ny « sokodrevo », ny « goro fa­nahotoana », tany amin’ny taranja fizika sy simia, ny « vala famaritana » tany amin’ny matematika, ny « lahimbony » tany amin’ny taranja zavaboahary, sns.
Tsy io endrika io anefa no mahamaika. Vao mainka niteraka fahasarotana lehibe ny « fanagasiana », teto. Lany fotoana tamina dikan-teny ny mpikaroka. Na ny mpampianatra hampita izany aza, sadaikatra. Voasoketa hatramin’ny teny malagasy. Nola­zaina fa tsy ampy hoenti-mampianatra, satria, tsy ampy voambolana, hono. Ny taranja siantifika no tena nahenoina izany.
Hafa raha samy olona!

Na inona na inona taranja ianarana any an-tsekoly, ny teny malagasy no teny hoentina mampianatra azy ireny. Io no fanagasiana novolavolaina sy nokasaina hotanterahina taorian’ny « Raharaha 13 mey 1972 ». Saingy, navily lalana izany ny taona 1975. Diso lalana tamin’ny « fanagasiana » ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madaga­sikara. Kanefa, tsy nisy afaka nanarina izany taty aoriana. Vao mainka aza no­hamafisina tamina endrika hafa indray ilay « fanagasiana » tsy nandeha araka ny tokony ho izy.
Ny Sinoa, ampianarina amin’ny teny sinoa. Ny Angli­sy ampianarina amin’ny teny anglisy. Ny Frantsay, ampianarina amin’ny teny frantsay… Fa, ny an’ny Malagasy no hafa indrindra, satria, teny vahiny no teny hoentiny mampianatra ny taranany. Hafa raha samy olona ny Mala­gasy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: