Ankoatra ny homamiadan’ny nono, aretina fahefatra mpahazo ny vehivavy maneran-tany ny homamiadan’ny vozon’ ny tranonjaza. Aretina azo avy amin’ny otrikaretina HPV izy io. Azo avy amin’ny alalan’ny fanaovana firaisana ara-nofo ary mitarika fahafetasana raha tsy voatsabo.
Tombanana ho 660 000 ny tranga vaovao amin’ ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, tamin’ny taona 2022. Mahatratra 94% na 350 000 ireo maty vokatry ny aretina, raha ny antontanisa navoakan’ny Organisation mondiale de la santé (OMS). Ambony kokoa ireo tranga ireo, indrindra amin’ny firenena andalam-pandrosoana sy mahantra. Aretina azo avy amin’ ny otrikaretina antsoina hoe “papillomavirus” (HPV) izy io. Azo avy amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo ary mety hisy fiantraikany amin’ny hoditry ny taovam-pananahana ary ny tenda. Amin’ny ankapobeny, manala sy mamono ny sela rehetra ao anatin’ny vatan’ny olona iray izy io. Mitarika fihomboan’ny aretina eo amin’ ilay marary ary mahatonga hatrany amin’ny fahafetasana izany.
Azo sitranina tsara ity aretina ity raha fantatra mialoha sy voatsabo haingana. Raha sanatria kosa efa mihombo, mananika hatramin’ny 95 % ny tahan’ny otrikaretina eo amin’ny tranonjaza. Amin’ny ankapobeny, 15 hatramin’ny 20 taona vao lasa homamiadana ny tsy fahatomombanan’ ny sela eo amin’ny vatan’ny olona iray. Mivoatra haingana be kosa ny otrikaretina ao amin’ny vatan’ny vehivavy mitondra ny tsimokaretina VIH. Manodidina ny 5 % ireo vehivavy mitondra ny tsimokaretina VIH no tratran’ity homamiadana ity avokoa. 20 % kosa ireo zaza sy ankizy no maty reny tanora vokatr’io aretina io ihany. Manodidina ny 5-10 taona kosa ny fihombon’ny aretina ho an’ny vehivavy mitondra ny tsimokaretina VIH tsy voatsabo.
Fambara ny tsiranoka
amin’ny fivaviana
Misy fambara maro ahafantarana fa mety ho voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ny vehivavy iray. Fandehanan’ny ra tsy mahazatra eo anelanelan’ny fadimbolana na aorian’ny fotoana hitsaharan’ny fiterahana na aorian’ny firaisana ara-nofo. Eo ihany koa ny ny fisiana tsiranoka misy loko sy misy fofona ao amin’ny fivaviana. Fanaintainana maharitra eo amin’ ny valahana, lamosina ary ranjo. Fahaverezan-danja sy harerahana diso tafahoatra ary tsy fahazotozana misakafo. Marary sy manaintaina ao amin’ ny fivaviana ary mibontsina ny tongotra. Tokony hanatona mpitsabo haingana ny vehivavy raha toa ka mahita ny fiverimberenan’ny iray amin’ ireo tranga ireo. “Misy tsy fantatra ety ivelany, ny tranga amin’ny maha homamiadan’ ny vozon’ ny tranonjaza azy fa mihinana miadana any anatin’ ny vatana any”, hoy ny filohan’ ny fikambanana Soroptimist International Club Antananarivo Tanamasoandro, Rakotoarisoa Nivo. Namabarany fa tsara foana mahafantatra ny toe-batan’ny tena, tsy voatery hita soritra ety ivelany, fa miadana. Tsy tokony hiandry ela sy mihombo ny aretina vao manatona mpitsabo sao efa tara loatra.
Aorian’ny fizahana ataon’ ny mpitsabo. Ny fandidiana sy ny fanaovana radiothérapie na chimiothérapie ny fomba fitsaboana ny aretina. Arahana tohana ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana avokoa ny fitsaboana, mba hanome hery ny marary. Tanjona hotratrarina maneran-tany, ny tsy ahitana tranga vaovao mihoatra ny efatra isan-taona amin’ireo vehivavy 100 000 amin’ny taona 2023.
Nisitraka fitiliana maimaimpoana ireo vehivavy 50
Nikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono ny fikambanana Soroptimist International Club Antananarivo Tanamasoandro, ny faran’ny herinandro teo. Natao teny anivon’ny hopitalin-jazakely tetsy Ambohimiandra ny hetsika. Nisitraka izany ny vehivavy 50 monina eto Antananarivo. “Ezaka ary tsara ny fahasahian’ny vehivavy manao fitiliana satria fomba iray ahafantarany ny toe-batany izany ary mba tsy hanahirana any aoriana any”, hoy ny filohan’ny fikambanana Soroptimist International Club Antananarivo Tanamasoandro, Rakotoarisoa Nivo. Tanjona ny hanampiana ny vehivavy eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ahafantaran’izy ireo ny toe-batany. Tsy mbola marisika amin’ny fanaovana fitiliana ny ankamaroan’ny vehivavy malagasy eto Madagasikara, raha ny zava-misy. “Antony mahatonga izany, ny fahamenarana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tahotra amin’ny fahafantarana fa mahafaty ny homamiadana ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy hatrany izy.
Ny fanaovam-bakisiny miady amin’ny otrikaretina HPV sy ny fanaovana fitiliana ary ny fitsaboana ny trangana aretina dieny vao manomboka no fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza. Eo ihany koa ny fanaovana fitiliana manomboka amin’ny faha-30 taonan’ny vehivavy. Entanina ny hanaovana izany isaky ny dimy hatramin’ny 10 taona. “Tsara raha olona vao avy niteraka ny manomboka manao ny fitiliana fa manomboka eo amin’ny faha-35 eo no tena ampirisihina tanteraka”, hoy hatrany izy. Manomboka eo amin’ny faha-25 taonany kosa ho an’ireo vehivavy mitondra ny tsimokaretina VIH. Tokony hanao fitiliana isaky ny telo taona kosa izy ireo.
Nanatontosa : Mino