Aretina fahatelo, mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Misy ny paikady vao nohavaozina ho enti-miady amin’izany. Distrika 53 no tena mbola misy tazo.
Notanterahina tao Morondava, omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka. Aretina fahatelo mamono olona indrindra eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy izy io ary faharoa hanatonan’ny olona tobim-pahasalamana. Lohahevitra novoizina, nandritra izany, ny “Hafainganina ny ady amin’ny tazomoka mba hisian’ny fitoviana ara-drariny ho an’ny rehetra”.
Nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely, fa ny zaza, ny tanora, ny olona eny ambanivohitra ary ny vehivavy, no tena mora handairan’io aretina io.
Trangana tazomoka miisa 2 839 138 no hita sy voatily ny taona 2023. Olona 95 amin’ny 1 000, araka izany, no voan’ny tazo.
Ny 5% ny trangana tazomoka eto Madagasikara dia tao amin’ny faritra Menabe avokoa ka izany no nisafidianana ny fanaovana ny hetsika any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny faritra fahadimy mbola be tazomoka ihany koa ny any Menabe. Tandindonin-doza, araka izany, ireo distrika ao aminy, ahitana taha ambony. Manodidina ny 53 ireo distrika manerana ny Nosy tena mbola be tazomoka.
Manavao hatrany ny paikady hiadiana amin’ity aretina ity ny fanjakana, ampiasaina nanomboka ny taona 2023 hatramin’ny taona 2027.
Tanjona ny hampihenana any amin’ny 50% ny tahan’ny tazomoka amin’ny taona 2025. Hisy fizarana lay misy odimoka amin’ity taona ity, izay anisan’ny paikady napetraky ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, iaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka dia ny tetikasa “USAID/Impact” tanterahin’ny PSI. Ampiasaina hiarovana amin’ny tazomoka izy ireny ary voarara ny mampiasa azy amin-javatra hafa.
Hisy famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, ihany koa any amin’ny distrika 5 be tazomoka indrindra, dia Ankazoabo Atsimo, Manja, Ikalamavony, Isandra…
Tatiana A