“Maro ireo lalàna efa nilaozan’ny toetrandro. Maro ireo sehatra mbola indramantsika lalàna vahiny efa tranainy mifehy azy, na lalàna tsy namoahana didim-panjakana fampiharana dia sarotra ny mampiasa azy na tsy mihatra mihitsy aloha”, hoy ny fanazavan’ny mediatioran’ny Repoblika, ny Me Ratsirahonana Lala Harijaona, nanao tatitra teny Isoraka, omaly, ny amin’ny asan’izy ireo.
Misy ny sehatra tokony hanaovana fandravonana lalàna sy didy, satria lalàna marobe tsy ifankahitana intsony. Maro ireo seha-pihariana tsy mbola voafehin’ny lalàna. Misy sakana lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny amin’ny tsy ahitana vahaolana araka ny lalàna. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny famerenana amin’ny vahoaka malagasy ireo tany nobodoin’ny mpanjanaka fahiny.
Tonga koa ny fotoana tokony handikana amin’ny teny malagasy ny didy aman-dalàna rehetra manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Miteraka ahiahy tsy ihavanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tsy fahazoan’ny olona ny lalàna tononina amin’ny teny frantsay sy ny didim-pitsarana mivoaka amin’ny teny frantsay.
Mahabe fitarainana ny ady tany
Miisa 113 ny antontan-taratasy voarain’ny mediatiora tamin’ny taona 2018, nahatratra 183 izany ny taona 2019, ary 176 tamin’ny 2020. Nandritra izay herintaona izay, fitarainana miisa 474 no noraisina sy nokarakaraina ary nokirakiraina. Olana amin’ny ady tany no maro amin’izy ireny. Nefa eo ny olana amin’ny fisotroan-drononon’ny mpiasa miankina na tsy amin’ny fanjakana, ny karaman’ny mpiasam-panjakana na ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.
Ao koa ny olana vokatry ny fihetsika misy fandikan-dalàna, indraindray avy amin’ny mpitandro filaminana any ambanivohitra rehetra any; ny didim-pitsarana tsy mihatra na tsy mety tanteraka; ny fandavana ny zon’ny olom-pirenena amin’ny lafiny sasany, ny trosan’ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fitondrana foibe, ny fihoaram-pahefana isan-karazany, ny fanamparam-pehefana sy ny fampiasana ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoan’ny tena manokana na amin’ny lafiny politika…
Atao avokoa izay hamahana ny olana amin’ny raharaha voaray rehetra. Azo lazaina fa nahitana vahaolana ihany ny antsasa-manila, fa arakaraka ny fahasarotan’ny raharaha izay. Tsy hoe mpisolovava ny olom-pirenena ny mediatiora ka avy hatrany dia miaro, fa mbola misy fanadihadiana ary ny fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny.
R. Nd.