Niova ny firafitry ny filankevi-pitantanan’ny ofisy rejionalin’ny fizahantany ORTU any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Lany nandritra ny fifidianana ny filoha vaovao mpitantana, Ranaivoson Odilon.
Nahavita fianarana ma hakasika ny siansan’ny toekarena sy ny fitantanana tany UMons Belgique izy. Mpiara-miombon’antoka sy mpitana trano fandraisam-bahiny “Princesse de Lagon” sy “O village” any amin’ny faritr’i Toliara ihany koa. Manana traikefa 15 taona mahakasika ny tontolon’ny hotely sy 10 taona momba ny fikarakarana ny sehatry ny kolontsaina sy ny tontolon’ny mozika tany Bruxelle izy.
Misy telo lehibe ny vina sy ny tetikasa novolavolainy mba hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany amin’izao fitantanany ny ORTU izao. Voalohany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny IHSM sy ny Oniversiten’ny Umons ary ny ORTU. Tanjona ny hisian’ny fijery maharitra hampiroboroboana ny fizahantany an-dranomasina. Anisan’ny faritra iray manana harena voajanahary tsara indrindra i Toliara, ka antony hikendrena ny hampitomboana ary hampandrosoana ny tolotra mahakasika ny fizahantany any an-toerana. Ahafahana manao izany ny fanarenana ny mozea an-dranomasina sy ny fampiharana ny zo iombonana mahakasika ny ekotorisma eto Madagasikara sy ny Umons. Eo koa ny fametrahana marika sy drafitra iraisam-pirenena hananganana ivontoerana filomanosana any ambanin’ny ranomasina. Manampy izany ny fanentanana ny mponina mipetraka manodidina ny moron-dranomasina mba hiaro ny tontolo iainana sy hiarovana ny ranomasina.
Tetikasa faharoa kasainy atao ny famolavolana ny atao hoe “Africa Routes”. Izany hoe, fampidirana ireo mpizahantany avy any Etats Unis sy Allemagne ary any Angleterre, izay mijanona sy milalao ao Afrika Atsimo ary mandalo mitsidika an’i Toliara. Tanjona amin’izany, ny hampahafantarana an’i Toliara. Hisy ny fitondrana ireo mpizahantany mankany Morondava , Anosy ary mifarana any Maorisy. Ny kompania Afrika Atsimo sy Kenia no hitatitra ny mpizahantany ho fampiodinana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena.
Tetikasa fahatelo kasainy hatao ny fampiroboroboana ny fizahantany atao hoe “grand sud” na “big south”. Miala avy aty Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena fahafito. Tokony hojeren’ny fanjakana ny fanarenana ny lalam-pirenena fahafito satria anisan’ny mampitaraina ny rehetra ny haratsiany ka misy fiantraikany amin’ny tontolon’ny fizahantany ihany koa izany. Ahafahana manao izany, ny fahazahoana famatsiam-bola tamin’ny Pic sy ny ORTU mba hanamboarana ny lalana mampitohy an’i Toliara sy Saint Augustin sy hanamboarana ny bac fiavotana, izay hanamorana ny fivezivezana amin’ireo tanàna rehetra manamorona izany.
Ezahina ny hampanara-dalàna ny hotely rehetra
Miantoka ny tantsoroka sy manampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny vina aroson’ny filakevitry ny ORTU ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy DRTAA. Araka ny resaka natao tamin’ny talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana, miezaka hampanarahan-dàlana ny rehetra manana toeram-pandraisam-bahiny izy ireo. Nohamafisina tamin’izany fa tsy andoavam-bola ny fampilazana mialoha sy fanomezan-dalàna fisokafana momba ny fizahantany. Tanjona ny hanentanana ny rehetra hiroso amin’ny sehatry ny ara-dalàna.
Nahazo mpanara-maso telo ny faritra Antsimo Andrefana, araka izany. Natao hanara-maso ny kalitao sy ny fenitry ny toeram-pandraisam-bahiny sy ny fandoavana vinety ho mariky ny maha ara-dalàna azy ireo.
Nandritra ny fandaharanasa Miatrika, izay tantanin’ny minisitera. Manodidina ny 1641 ireo nisitraka tombontsoa tamin’izany, nanomboka tamin’ny volana Novambra hatramin’ny Martsa teo. Anisan’izany, ny fanaovana fiofanana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Fiofanana momba ny fandraisam-bahiny sy ny fandrahoana sakafo ary ny fanarahan-dia ireo mpizahantany.
Nihena ny fizahantany mamoafady
Hatramin’izao, efa mahatratra dimy ireo sambo lehibe mihatrana any Toliara, mba hampiroboroana izay sehatry ny fizahantany izay. Voatsidika tamin’izany ireo toerana efatra. Toa an’i Toliara, Anakao, Ifaty ary Morondava. Ankoatra izay, nihena ary efa tsy dia nahitana trangana fizahantany mamoafady firy intsony any amin’ny faritra Atsimo Andrefana tamin’ity taona ity. Nisy ny ezaka niarahan’ny DRTAA sy ny mpitandro ny filaminana ary ny tomponandraikitry ny hotely nahahafahana nahatratra izany. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny fizahantany mamoafady sy miaro ny ankizy tsy ampy taona.
Mbola maro ny hotely fandraisam-bahiny tsy ara-dalàna
Mahatratra 21 ny hotely fandraisam-bahiny ara-dalàna any amin’ny faritra Atsimo. Manodidina ny 200 isa ireo vahiny raisin’ireo hotely ireo amin’ny ankapobeny. Mbola maro ny hotely tsy manara-dalàna satria miisa 27 izany. Izay mandray vahiny manodidina ny 262 eo ho eo. Any amin’ny faritra Avaratra kosa, 37 ireo hotely fandraisam-bahiny ara-dalàna. Izay mandray vahiny hatramin’ny 1108. Somary latsaka kely ny isan’ireo tsy ara-dalàna any an-toerana, izay manodidina ny 32 izany. Mandray vahiny eo amin’ny 132 amin’ny ankapobeny. Raha any Toliara an-tampon-tanàna indray, 50 ireo hotely ara-dalàna. Mandray olona hatramin’ny 1000. Raha toa ka 14 ireo hotely tsy ara-dalàna, izay mandray olona manodidina ny 180 eo, raha ny fanadihadiana natao. Atao ny fanentanana alohan’ny hanakatonana ireo hotely fandraisam-bahiny tsy ara-dalàna rehetra aoriana kely.
Nanatontosa : CMS