Maherin’ny 100 000 ny olona mivelona amin’ny fiompiana madinika. Misedra olana anefa ity fihariana ity satria midangana indray ny vidin-katsaka, sakafo fototry ny biby fiompy.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Vovonana iraisan’ny matihanina (IPA) Madagasikara, katsaka ny 60% ny akora fototra amin’ny famokarana provandy. Tamin’ny taona2023, tafakatra 2 700 Ar ny kilao, ny volana marsa sy avrily. Tsy takatry ny mpiompy izany, ka voatery nampihena hatrany amin’ny 50% ny isan’ny biby ompiany izy ireo. Ankehitriny, misondrotra 100 Ar isan-kerinandro ny kilaon’ny katsaka. Tafakatra ho 1 550-1 600 Ar ny kilao izao raha nanomboka 1 250-1 300 Ar ny fiandohan’ny volana mey teo. « Mety hahatratra 3 000 Ar ny kilao amin’ny volana oktobra-novambra 2024 raha mitohy ity fisondrotam-bidy ity », hoy ihany ny IPA.
Tsy ampy foana ny katsaka eto amintsika, na eo aza ny ezaky ny fanjakana sy ny mpisehatra amin’ny fampiakarana ny vokatra. Toy ny fizarana masomboly sy zezika, ny fanamorana ny fahazoana fitaovam- pambolena, ny fanamafisana ny teknika, sns. Nambaran’ny IPA ihany koa fa misy mpamokatra sy mpanangom-bokatra vaventy manafina ny katsaka, ary mivarotra lafo avy eo, toy ny nitranga tamin’ny taona 2023. Niantraika tany amin’ny seha-pihariana akoho izany, nefa tsy mifanaraka amin’ny vidin’ny atody sy ny henan’akoho, satria kely ny fahefa-mividin’ny mpanjifa. Eo koa ny fiantraikan’ny Covid, ny halafosan’ny zavatra ilaina andavanandro (PPN), ny ady any Ukraine, sns.
Hanafatra any ivelany
Tsy zakan’ny mpiompy madinika ny vidin-katsaka lafo, ary mitarika ny fitomboan’ny tsy an’asa izany. Hany vahaolana haingana ho an’ny IPA ny fanafarana katsaka avy any ivelany ao anatin’ny fotoana voafetra. Eo koa ny fampitomboana ny vokatra anatiny, ny fanatsarana sy fanaraha-maso ny lalam- pihariana, izay tokony hataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ho laharam-pahamehana.
Njaka
Andriantefiarinesy