An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… An-taratasy ihany !
Tsy ny politika ihany no azo handinihana ny momba ny firenena iray fa maro. Iray amin’ireny ny zava-misy marina mitranga eny anivon’ny fiarahamonina. Mahaleo tena an-taratasy i Madagasikara fa izay marina ve ny tranga hita amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ? Fiankinan-doha etsy sy eroa. Kofehy manara-panjaitra, tarihin-dava. Miandry baiko lava. Tsy velona raha tsy miankohoka amin’ny fanampiana omen’ny firenen-kafa, sns.
Misongadina be sy miharihary tahaka ny vay an-kandrina ny mbola maha voazanaka an’i Madagasikara raha tazanina amin’ny kolontsaina. Nasavoritaky ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny resa-pinoana vazaha sy ny fahalalana nananan’ny Malagasy. Nandaitra ny vela-pandrika ! Nifanenjika sy voazarazara amin’ny tsy azy akory ny samy Malagasy. Narosony ny fanilikilihana sy fanivaivana ny tahotra ny tody sy ny tsiny ka nosoloiny « afobe hivarinan’ny ratsy fanahy ». Zary votsotra teo amin’ny Malagasy ny fifampitsimbinana satria tsy fantany intsony ny hoe : « tsara atao manody, ratsy atao manody ». Nanjary sahy mandatsak’aina ny Malagasy… Ireo rehetra ireo manamafy fa mbola voazanaka ny Malagasy satria tsy afaka maneho sy miaina akory amin’ny kolontsainy.
Nanjary sadasada ny Malagasy
Tsy mandray roa izany ny ampahana Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao fa sadasada. Sady tsy mahay ny azy no tsy mahafantatra ny an’ny vahiny. Na, mahafantatra amin’ny ampahany fa tsy miaina izany fa manao tazan-davitra na mitafy endrika ivelany fotsiny ihany. Fahiny, raha hanatitra vodiondry, mahavalalanina ny maheno sy mahita ny fifamaliana kabary. Ankehitriny, « andao haka mpikabary fa tamin’ny raharahan-dRanona nahafinaritra ery naheno an’ilay kabary », na « andao haka mpikabary fa izany daholo izao no ataon’ny olona »… Very faka ny fiarahamonina malagasy ! Ilay vontoatin’ny kabary, tsy fantatra intsony fa ny fisehoana ivelany no tonga aloha.
Hoy indray ny hafa raha hanao mariazy any am-piangonana : « sitrakay raha tsodrano malagasy no atolotra » ! Vola io lazain’ny sasany fa tsodrano amin’ny fomba malagasy io. Fa angaha moa ny Malagasy natao mariazy tany am-piangonana ? Faharoa, fa angaha moa vola ny tsodrano nomen’ny Malagasy ireo hanorin-tokatrano ? Endrika miharihary eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny io fa nanjary sadasada amin’ny fombany ny Malagasy !
Mila fanarenana ifotony ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara
Any an-tsekoly, hazavaina amin’ny fiteny vahiny ny taranja ianarana. Fa maninona no tsy atao amin’ny tenindrazana ? Satria, mbola voazanaka ny Malagasy sasany ka tsy maintsy mankato baiko. 12 taona ianarana teny malagasy ny zaza malagasy ka nahoana no tsy mahay manoratra na miteny amin’ny fiteny malagasy madiorano ? Satria mbola voazanaka ny fandaharam-pianarana ka tsy afaka ny hanome lanja sy hasina ny tenindrazana… Manampy trotraka ireo ny fomba fitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany ankehitriny. Volavolaina ho vahiny eto amin’ny taniny. Ireo rehetra ireo, mila fanarenana ifotony. Tsy iandrasana « mpanjanaka » fa mitaky finiavana sy fitiavana ary fahasahiana !
HaRy Razafindrakoto