Korea Atsimo : nihaona tamin’ireo diaspora ny filoha Rajoelina mivady

Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy amin’ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’i Korea-Afrika, ny 4-5 jona, nataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana ny fihaonana amin’ireo teratany na diaspora malagasy ao an-drenivohitr’i Korea Atsimo, Séoul, omaly. 40 mahery izy ireo ary mianatra ny ankamaroany. Eo ny momba ny tontolo iainana, ny asa vaventy, ny teknolojia… Samihafa ny seha-pianarana ataon’izy ireo, nefa samy ilain’ny firenena. Tsy mahagaga raha voaresaka betsaka ny tontolon’ny fampianarana ambony. Nam­baran’ny filoha Rajoelina tamin’izany fa efa misy ny dingana vita amin’ny fanarenana sy fanatsarana izany. Tsy ampy ny fotodrafitrasa amin’ny oniversite eto Madagasikara. Izay no anaovana oniversite manerana an’i Madagasikara. Efa notokanana ny any Fe­noarivo Atsinanana, Itasy. Tamin’ny andron’ny filoha Ra­tsiraka ny oniversite natao farany. Ezahina koa ny hampiakatra ny fari-pahaizan’ny mpianatra, nahatonga ny fitondram-panjakana manafatra mpampianatra avy any amin’ny firenen-kafa hanatevin-daharana. Mila hamoraina sy hafainganina koa ny fombafomba amin’ny asam-panjakana ankapobeny. Na zavatra tokony ho mora aza, lasa tena sarotra. “Mihaino ny olona aho ary mamaly izay hetahetan’ny vahoaka izay. Mihaino aho dia mamaha olana”, hoy ny filoha Rajoelina. Voaresaka koa ny ladoany amin’ny fitakiana vola: lasa manaratsy endrika an’i Madagasikara. Be dia be ny ovaina. Na betsaka aza ny ezaka hampandrosoana ny firenena: misy hatrany ampahan’olona vitsy tsy mijery afa-tsy ny tenany manokana fa tsy ny besinimaro, ka lasa manimba endrika ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: