Jono sy ny toekarena manga: azo avy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny antsasaky ny vokatry ny jono

Fidiram-bola ho an’ny tokantrano malagasy maro ny jono. Miantoka ny toekarem-pirenena sy ny harin-karena faobe koa. Taona maro izao, mihavitsy ny trondro an-dranomasina na an-dranomamy eto Madagasi­kara.

Azo avy amin’ny tsy fanarahan-dalàna avokoa ny antsasaky ny vokatry ny jono eto Madagasikara. Mihena ny trondro (filao na fya ) any amorontsiraka rehetra, raha ny zava-misy. Noho ny fanjonoana tsy ankijanona ataon’ny sasany, izay tsy manaja ny tontolo iainana. Tombanana ho 20 % ihany raha be indrindra ny lakana misoratra ara-dalàna manerana ny faritra. Tsy misy manao tatitra azo avy amin’ny vokatra, araka izany, ny mpanjono madinika eto amin’ny Nosy. Tsy manao tatitra tena marina koa ireo sambo sy orinasana mpanjono. Vokany, samy manao izay tiany ireo mpanjono, tsy voahaja ny lalàna amin’ny lafiny rehetra ary ny fepetra tokony arahina eo amin’ny sehatry ny fanjonoana. Mihavitsy ihany koa ny vokatra an-dranomasina noho ny ataon’ireo mpanjono vaventy na jono indostrialy sasany. Mandraoka izay azony raofina rehetra, tsy manaraka ny fepetra sy fe-potoana izy ireo. Miditra antsokosoko amin’ny morontsirak’i Madagasikara ny sasany amin’izy ireo. Ny firenena rahateo tsy manana fitaovana na sambo ampy hiarovana ny morontsiraka mirefy 5600 km. Ny any ivelany indray mahazo tombontsoa lavitra amin’ny lafiny rehetra no ho isika tompony eto an-toerana. Raha ny mpanjono madinika an-dranomasina, tsy maintsy mandeha lavi-davitra vao mahazo trondro. Mety hampidi-doza izany ho an’ny mpanjono madinika, nefa miveri-maina fotsiny raha vao tsy manao izany. Mifanao fotoana maraim-be eny amoron-dranomasina avokoa ny mpanjono any amorontsiraka andrefan’ ny Nosy manontolo.
Ankoatra izay, maro amin’ny olona any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy no manao ny asa fanjonoana, raha ny fanadihadiana natao. Asa hifandovana hatramin’ny ela ny fanjonoana satria efa mpanao izany avokoa ny ankamaroan’ny ao amin’ny fianakaviana iray. Fomba fanao sy fikaramana mampihodina ny filana isan’andro ho an’ny tokantrano maro ihany koa izany.
Miantoka ny fiveloman’ny olona 2 tapitrisa ny jono

Antoka iray lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena malagasy ny jono. Manome 7% amin’ny harin-karena faobe (PIB) hatrany amin’ny 7 % sy 6,6 % amin’ny vokatra fanondrana rehetra any ivelany koa. Samy ahitana ny vokatry ny jono avokoa na an-dranomasina na an-dranomamy. Saro­bidy ny vokatry ny jono ara-pahasalamana satria manome 20% ny “protéines” avy amin’ny biby. Miantoka ny fiveloman’ny olona 2 tapitrisa ny jono any amorontsiraka. Tsy misy fidiram-bola hafa ankoatra ny jono, tsy manana na sombin-tany kely mba azo volena. Efa manomboka mandray lakana ny ankizy 12 hatramin’ny 15 taona. 6 % ihany ireo nandingana kilasy ambaratonga faharoa. Mandalo fotoan-tsarotra ny tontolon’ny fanjonoana an-dranomasina na an-dranomamy amin’izao fotoana. Tsy voalanjalanja intsony ny tahiry misy ( ny fetra amin’ny lanjany sy ny karazany) sy ny fitrandrahana azy. Fanamby lehibe ny hisian’ny fifandanjana eo amin’ny tahiry misy sy ny fitrandrahana azo atao, indrindra ho an’ny fanjonoana indostrialy. Tokony haraha-maso ara-dalàna sy ara-potoana ny jono sy fiarovana ny tontolo manodidina azy.

Anjakan’ny vahiny ny jono indostrialy

Nangina ny fanjonoana teto amin’ny Nosy tamin’ny 2021 sy 2022 teo anelanelan’ny volana marsa sy avrily. Anisan’ny fotoana tena hisokafan’ny jono anefa izany. Tamin’ireo fotoana ireo, henjana ny fanjakana mahakasika ny fanomezan-dalana hanjono, indrindra raha hanjono akamba. Vahiny avokoa ny ao ambadiky ny fangatahana fahazoan-dalana, satria izy ireo no tompon’ny sambo sy orinasa teo aloha, na vao miditra. Maro ny zavatra takina raha te hahazo fahazoan-dalana. Anisan’izany, ny fiarovana ny faritra manga sy ny fampitsaharana ny fitantanana mandeha an-jambany. Nahazo fahazoan-dalana be indrindra ny Sinoa tamin’izany. Marihina fa efa nisy ny sambon’izy ireo voarara tsy nahazo niditra tany amin’ny fari-dranomasina Afrika andrefana. Tsy tena mazava loatra ny fifandraisan’i Madagasikara sy Chine eo amin’ny lafiny jono. Matetika tsy ara-dalàna ireo mpanjono sinoa, miditra amin’ny faritra voatokana ho an’ny mpanjono madinika. Tsy atokisana loatra, hatreto, ny hisian’ny mangarahara sy maharitra eo amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Misy amin’ireo tomponandraikitra sy mpanara-maso milaza ny ahiahiny fa sarotra ny raharaha manoloana azy ireo, izay manana tambanjotra matanjaka.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: