Anio no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana vonjimaika avy eny amin’ny Ceni. Raha ny fantatra dia misy ny lamina manokana hamoahana izany mba ho fitandroana ny mangarahara. Milaza rahateo ny tomponandraikitra fa mitandro toy ny anakandriamaso ny fahadiovan’ny asan’izy ireo. Porofon’izany ny fahafahan’ny tsirairay mankeny amin’ny birao, mijery ifotony ny isam-pokontany.
Zava-dehibe ho an’ny tantaram-pirenena ny anio. Indrindra amin’ny vontoatin’ny vokatra mivoaka amin’ny distrika sasantsasany. Efa mahoraka loatra manko ny hala-bato sy ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka na avy amin’ny mpanohana fitondrana, na ny mpanohitra. Mifampiampangampanga eo ny andaniny sy ny ankilany. Mifampiandry kendritohina amin’izay ho hambaran’ny tompom-pahefana.
Tsy misy tokony hampikoropaka anefa izay miseho. Safidim-bahoaka no resaka. Fitiavana sy fandrefesana ny maha mamim-bahoaka na tsia no dikan’izany. Fotoana tokony hisainan’ny mpanao politika izao, handrefesany ny heriny. Hanaovana tombana sy jery todika hoenti-manatsara ny hoavy. Ny soa lavo hahay hamindra, ho an’ireo tsy nahomby. Fanamafisana ny fifamatorana eny ifotony kosa ho an’ny lany.
Tsy misy antony tokony hampikoropaka tokoa raha tena mifototra sy manaja ny Lalàmpanorenana i Madagasikara. Iaraha-mahalala rahateo fa manan-jo handrodana izany antenimiera izany ny filohan’ny Repoblika, araka ny andininy faha-60 amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV raha misy ny filàna. Tsy maintsy mampandre ny Praiminisitra sy mifampiresaka amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena fotsiny izy.
Fotoana tokony hampisehoana fa manara-dalàna sy manaja ny safidim-bahoaka izany izao. Tsy tokony hisy ny fandotoana sy fanimbana endrika ny fitondrana. Azo atao tsara ny miady any anaty lalàna. Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela rahateo izy ity.
r.r