ONG Stem for good : mangataka ny handraisana ny «robotique» ho fanatanjahantena

Hiompana amin’ny fanodinana maharitra ny vokatra ho lasa sakafo ny lohahevitry ny fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes. Hitondran’ny tanora mpifaninana vahaolana mifototra amin’ny robotique ny hampitomboana ny vokatra sy hitsinjarana ara-drariny izany, ary tokony ho ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana.

Mangataka ny governemanta malagasy ny ONG Stem for Good hanambara amin’ny fomba ofisialy fa raisina ho anisan’ny fanatanjahantena ny robotique. Mifandraika amin’ny hetsika maneran-tany ny fangatahana fankatoavana.

ONG mampiroborobo ny fanabeazana mifototra amin’ny fanehoana ny talenta sy ny fahaizana amin’ny siansa, teknolojia, injenera ary matematika (Stem) ny Stem for Good Manomana ny tanora hahazo sehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Efa misy ny fikambanana Stem club izay hanamafisana ny fahaiza-manao. Sehatra iray ahazoan’ny tanora maneho ny fifehezany ny Stem ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotique “First Global Chal­lenge 2024”. “Mpikarakara ny ekipa malagasy Stem for Good ary hotanterahina any Athènes Grèce, ny 26 ka hatramin’ny 29 septambra ho avy izao, ny fifanintsanana”, hoy ny fanazavan’ny mpanorina ny ONG, Sahaza Marline R. Tanora mpianatra dimy mianadahy avy eto Antananarivo no voasafidy hisolo tena an’i Madagasikara.
Maniry ny fampidirana ny robotique ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto amintsika izy. Nanomboka ny taona 2017 ka hatramin’izao, ankizy sy tanora 5000 no nisitraka ny fandaharanasan’ny Stem Club. Isan-taona, mifantina mpianatra eny anivon’ny Ly­cée manerana ny Nosy ny ONG sy manomana azy ireo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena «First Global Chal­lenge». Vokatr’izany, mendrika ny hanasokajiana ny robotique ho fanatanjahantena.
Nanomboka ny taona 1989 no nisy ny fifaninanana robotique tamin’ny fananganana ny For Inspiration and Recognition of Science and Technology (FIRST). Nam­pivoatra ny fifehezan’ny mpianatra ny fahaiza-manao teknika ny fandraisany anjara amin’ny robotique.

Vonjy

Partager sur: