Ny ilantoana mety hisavorovoroana

Ny isavorovoroan-kilantoana? Mandeha ho azy sy efa mahazatra izay. Hatraiza? Rehefa misy ny zava-manahirana, mety mitranga sy mandeha ho azy ny fikoropahana, fisavoritahana, fikorontanana… Raha tsy tony sy milamina amin’izany ny tena, mety vao mainka manampy trotraka ny fahasahiranana, fahavoazana… Sarotra tsinona ny mitsara zavatra mbola eo am-pihetsiketsehana na eo am-pivoarana, indrindra ny mampijanona na mamakafaka sy mandalina izany. Izay no ilana ny filantoana; eny, mety ho fisintahana na fakana bahana kely aza aloha. Mihataka mba hahazoana mitsambikina lavidavitra kokoa noho ny teo aloha, miala na mamaha ny olana.
Na izany aza, ilaina koa ny mahay mihetsika arakaraka ny fari-toe-javatra: ny fotoana sy ny toerana, ny zava-mitranga amin’izany, ny olona manao azy… Matetika, saika izay ny famahana ny olana politika? Na hoe tsy misy tsy azo vahana na arenina amin’ny politika; eny, na izay farany sarotra sy fahadisoana be aza. Ambonin’ny lalàna ny famahana olana politika, rehefa tsy voavaha amin’ny lalàna? Izany tsy midika hoe atao fanahy iniana ny fandikan-dalàna hisiana korontana politika hovahana amin’ny karazana marimaritra iraisana, na tsy araka ny lalàna aza. Izay no ilantoana amin’ny savorovoro: iza no manao inona, aiza amin’ny fotoana inona ary mankaiza… ?
Vitan’izay filantoana ve ny raharaha hoe mila vahana? Eny, na eo aza ny hoe ny ela manova zavatra: ny ela fievoka koa, may lamba. Tsy hoe hivaha na hilamina ho azy amin’izao ny raharaha, rehefa anaovana tari-dositra na odian-tsy hita na mangina ho azy. Aiza ho aiza izany rehetra izany amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Saro-pady, ilam-pitandre­ma­na… Krizy politika eo anivona andrimpanjakana izao, eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Tsy vitan’izay, eo anivon’ny samy mpiara-dia sy mpanohana ny mpitondra koa ny raharaha. Fisaraham-bazana? Izay no mahatonga ny hoe ny ilantoana mety hisavorovoroana.
Manova zavatra ny ela, raha mahay mihetsika arakaraka ny fari-toe-javatra koa izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena: tsy mipetra-potsiny amin’izao. Ny politika dia politika, miaina sy mihetsika arakaraka ny fifandanjan-kery sy izay atao ary kendrena amin’izany. Mirona mankaiza amin’izao? Mba mandevona ny lonilony aman-disadisa ny fahanginana sy ny tsy fihetsehana, fa tsy miotrika amin’izany, sanatria.

Rafaly Nd.

Partager sur: