Nanomboka nikapo-bato teo amin’ny faha-10 taonany Rasoavololona Fanja Claire. “Efa nanao io asa io ny reniko tamin’ny fahavelony ka mety ho antony nanaovako ny asa”, hoy izy nitantara. “Efa nanao ity asa ity aho, asa tsaroako natao hatramin’ny fotoana nahatsiarovako saina”, hoy hatrany izy. Mahavita mamaky vato manodidina ny 2 na 3 barika isan’andro izy rehefa tena miasa. Miala any an-trano amin’ny 7 ora maraina ka mandeha eny anivon’ny kariera. Miala ny toeram-pamakiana vato kosa izy ireo amin’ny 5 ora na amin’ny 6 ora hariva eo ho eo. Tsy maintsy karakaraina maraina avokoa ny sakafon’ny ankizy rehetra mba hialana amin’ny fahasahiranana. Mila vatana matanjaka ny fanaovana ity asa iray ity. Rehefa tsy ampy ny sakafonao dia reraka ny vatana ary tsy mahavita manao ny asa, raha ny fanazavany hatrany.
Toy ny asa rehetra, misedra olana sy ny mafy ny fanatanterahana ny asa, amin’ny ankapobeny. Foto-pivelomana ny asa ary tsy maintsy manao izany isan’andro. Manam-bady aman-janaka Rasoavololona Fanja Claire. Hamelomany ary hampianarany ireo zanany io asa io. Tsy maintsy miasa foana na migaina ny andro na avy ny orana na mangatsiaka… Mba hahazoam-bola sy hamelomana ny ankohonana. “Tsy mihinana ny ankohonana raha mijanona amin’ny fanaovana io asa io”, hoy hatrany izy. “Matetika toro ny tanana eo am-panaovana ny asa, fonosana ravin-damba avy eo ary tohizana hatrany ny asa”, hoy izy nitantara. “Efa voan’ny vato foana ny tanako rehefa manao ity asa ity aho, nahatonga fanaviana teo amin’ny vatako mihitsy aza izany, ary tsy niasa nandritra ny tapa-bolana vokatr’izany”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, olana ho azy ireo ny tsy fahampian’ny sakafo hohanina. Fanirian’izy ireo ny fahazoana tohana ara-tsakafo avy amin’ny fanjakana satria tsy mbola nahazo izany hatramin’izay, raha ny fitantarany. “Mahatonga ny faharerahana eo amin’ny vatana izany, ny vidin-tsakafo eny an-tsena ihany koa lafo loatra”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, hirarian’izy ireo ny hanatsarana ny fitaovam-piasana fikapoham-bato. Nambaran’izy ireo fa lafo ny vidin’ny fitaovana ampiasaina rehefa simba. Tsy mahatakatra ny vidin’izany izy ireo ka tsy maintsy miharitra ny eo am-pelatanana.
Miala avokoa ny rehetra rehefa apoaka ny vato
Mandalo dingana maro ny fanaovana ny asa vao tonga amin’ny vatokely. Kasiana ny vato vao kapohana. Alohan’izany rehetra izany ny fanapoahana ny vato. Isan-kerinandro ny fanapoahana vato eny anivon’ny kariera. Miala alavitra avokoa ny mpiasa rehetra amin’izay fotoana izay mba hisorohana ny loza mety hiseho. Miverina miasa kosa rehefa nipoaka ny vato. Antony mahatonga izany ny fisian’ny vato mipitika ka mety handratra na hahafaty ny olona manakaiky ny toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tonga manatrika izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharahan’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny mpitandro filaminana.
Ampiasaina hanaovana fotodrafitrasa maro
Misy kely sy ngeza ary antonony ny hangezan’ny vato, arakaraka ny tenenin’ny mpampiasa. Mitokana avokoa ny toerana hametrahana ireo vato ireo fa tsy afangaro. Ilaina hananganana sy hanaovana ireo fotodrafitrasa samihafa manerana ny Nosy ny vatokely ataon’izy ireo. Hanamboaran’ny fanjakana lalana sy fototra sekoly, trano… izany. Tsy eto Antananarivo ihany fa tonga hatrany amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy. Anisan’ny manjifa ny vato vitan’izy ireo ny any Ambatondrazaka.