Maroantsetra: hahazo herinaratra ny any Antongil

Hisitraka herinaratra avy amin’ny tohodrano ny amin’ny helodranon’Antogil, distrika Maroantsetra. Manohana azy ny fanjakana alemà amin’ny alalan’ny KFW.

Natao sonia ny 18 jona teo ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny tomponandraikitry ny Kreditanstalt für Wiede­raufbau (KFW), famatsiam-bola ho an’ny fanarenana alemà sy ny fandaharanasa GIZ Perer. Mitentina 18 tapitrisa euros ny famatsiam-bola tsy averina, hananganana tobim-pamokarana herinaratra madinika avy amin’ny rano na ny masoandro eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Eo koa ny fizarana fitaovana mandeha amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ny toerana tena lavitra.

Miisa 66 360 ny tokantrano eny ambanivohitra hisitraka ity tetikasa ity. Ho voaaro ny tontolo iainana satria tombanana hatrany amin’ny 8 000 taonina isan-taona ny entona karbona tsy hiparitaka any amin’ny habakabaka.

Hampitomboina
avo roa heny

Nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, fa tanjona ny hampitomboana avo roa heny ny famokarana sy ny tahan’ny mpisitraka herinaratra eto Madagasikara. Zava-dehibe ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra, misy ny 75% ny Malagasy. «Ananan­tsika daholo ny akora ilaina, toy ny rano, ny masoandro ary ny rivotra », hoy ihany izy.

Nanatanteraka ny sonia ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirina­rison Rindra, ny mpiandraikitra ny kitapombola KFW, Do­rothée Honauer, ny tonia mpanatanteraka mpisolo toerana ao amin’ny Ader, Va­nomaro Joelinet. Nanome vo­ninahitra ny fotoana ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivoho alemaina sy ny solontenan’ny GIZ Pe­rer.
Tsiahivina fa anisan’ny hisitraka ity tetikasa fanamboarana tobim-pamokarana herinaratra madinika ity koa ny any amin’ny kaominina Ivony, distrika Ambositra, iarahana amin-dry zareo indoneziana, ary tohanan’ny fandaharanasa alemà, GIZ Perer, ihany koa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: