“Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana”: tadika tamin’ny teny malagasy

« Amour, patrie et soupe de crabe » ny lohatenin’ilay boky voalohany… Nadika ho « Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana » ity sanganasan-dravaloson Johary ity. 5 taona taorian’ny nipoiran’ny voalohany, nivoaka izao ny boky faharoa, izay nadikan’ Ilai­balihy, nampian’i Rija Al-Jonah teo amin’ny fanitsiana. Tsy asa mora ny fandikana izany, satria tsy ny fehezanteny tsirairay fotsiny no niaingana fa ny fanahin’ny boky iray manontolo mihitsy. Manginy fotsiny ny fanarahana ny fomba fanoratra mba tsy hivaona amin’ny nanaovan’ny mpanoratra azy.
Tantara noforonina, saingy misy fototra amin’ny tantaran’i Madagasikara ity bokin-dRavaloson Johary, izay natontan’ny Dodo Vole ity. Manitikiti-tsaina, indrindra ho an’ireo manaraka tsara ny raharaham-pirenena nandritra ny taona maromaro izay. Ny hizara izany amin’ny Mala­gasy rehetra no tanjon’ny mpanoratra voalohany, ka antony nahatonga ny fandikan-teny. Tsy vitan’izay, havoaka maimaimpoana amin’ny endriny niomerika ny roa ampahatelon’ny boky, ho fandrisihana ny mpamaky. Pejy 300 amin’ireo 430 mandrafitra ny boky, izany hoe, ampy hankafizan’ny mpamaky ny tantara. Na izany aza, efa azo jifaina ihany koa ny boky tena izy amin’izao fotoana izao.

Zo ny Aina

Partager sur: