Kolontsaina sy fanabeazana: miverina sy mivelatra ny Zanabaliha

Anisan’ireo foibe fikarohana sy fanabeazana ary fampianarana momba ny kolon­tsaina malagasy, ela niorenana ny Zanabaliha. Nisy fotoana niova endrika izy io. Ankehitriny, miverina amin’ny nahalalana azy ary mivelatra amin’ny lafiny hafa…

Tany amin’ny taona 1980 no efa nanomboka ny dinika hoenti-mamerina indray ny Malagasy hiaina ny kolontsainy. Nifanindran-dalana tamin’izany, efa nandray andraikitra nanandrify azy tamin’ny fampianarana izany ny tanora vitsivitsy… Taona 1995, rehefa nahazo tsodrano sy fankatoavana tamin’ireo raiamandreny sy olobe mpandala ny kolontsaina malagasy, tafatsangana ara-panjakana ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina sy zavakanto malagasy, nampisalorana ny anarana Zanabaliha.

Fantatra fa miverina haka ny endriny tamin’izany fotoana izany ity foibe ity. Misy ny sampana dihy sy hira malagasy, kabary, valiha, soratra. Hivelatra ny foibe, satria, misokatra ny sampana lalao malagasy, izay tsy nisy hatramin’izay. Ireo rehetra ireo, hitovy fomba fiasa: fikarohana, fampianarana (na fampahafantarana), fampivelarana (fampisehoana, atrikasa, ranty, fifanakalozana…).

Mivelatra amin’ny fiaraha-miasa

Nambaran’ny tomponandraikitra sady mpitantana ity foibe ity fa namolavola mpampianatra izy ireo nandritra izay fotoana naharitra izay. Noho izany, hiampy ny mpampita fahalalana. Hana­na fivelarana amina fiaraha-miasa maro ny Zanabaliha manomboka eto. Tsy ny sehatra eto an-toerana ihany fa hatrany ivelan’i Mada­ga­sikara ihany koa, samy hiaraka hiasa amin’ity foibe ity avokoa.

Raha tsiahivina, teny Itaosy no nitsimohan’ny Foibe fikarohana sy fam­piana­rana  Zanabaliha. Tano­ra vitsivitsy, notarihin’ny ray aman-dreniny avy, no nifanakalo hevitra.
Rehefa nentina teo an­atrehan’ny  Oloben’ny ko­lon­tsaina malagasy, toa ny Pr. Albert Rakoto Ratsi­mamanga ny hevitra tapaka, tsy nisalasala nandray ny andraikitra amin’ny naha filoham-boninahitra azy izy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: