Namono biby tsy nahafaty

Mizotra moramora ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Manao ny asany an-tsakany sy andavany avokoa ny mpitondra mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Eny fa na mpivangabao aza ny ankamaroan’ireto farany. Hatreto, tsy mbola mieritreritra ny handeha hiala sasatra ny eo anivon’ny governemanta. Tsy misy ny fanambarana ofisialy, mifandraika amin’izany. Mety tsy hisy mihitsy angamba satria vanim-potoana hisehoana fa miasa izao. Ny filoham-pirenena, izay mbola nametraka ny mpikambana tao amin’ny fitsarana ambony, omaly, tsy voasakan’ny fotoam-pialantsasatry ny mpitsara.
Na izany aza, mbola tandindonin-doza rahateo ny mpanatanteraka, amin’ny ady an-trano misy ao anatiny. Sanatrian-dresaka, mifampiandry kendry tohina. Mahoraka ny vaovao amin’ny mety handavoana ny faratampony amin’ny fahefana. Fandrodanana hataon’ireo lefiny sy ny manodidina azy ihany. Tsy mbola voamarina, saingy tsy azo hamaivanina satria, ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha, hoy ny fitenintsika Malagasy. Iarahan’ny rehetra mahalala, ny tsy fisian’ny etika politika eto amin’ny tany sy ny firenena, amin’izao fotoana izao. Nisy an’izany farany, tamin’ny andron’Itompokolahy Razafimahaleo Herizo. Tamin’izany fotoana no nisy olona nahatsapa tsy fahombiazana ka nametra-pialana sady nahazo sitraka. Amin’ny vaninandro anio, raha maty aho matesa rahavana.
Resaka honohono, tsy azo tsinontsinoavina ny adilahy amin’ny samy “deban’ny tanàna”. Raha ny zava-misy any anaty fiarahamonina politika any, efa hita taratra ny sasantsasany manomana ny sambokely famonjena aina. Misy ny mitady kodiarana vonjy voina anaty hamehana. Ny hafa mitady varavarana hivoahana, saingy voasaringotry ny fiarahana hafahafa tao. Manginy fotsiny ny mandrovi-tsihy. Ireto farany izay manao ny danin’ny kibony hamotehana ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy.
Raha fehezina, marary i Madagasikara noho ny fanaovana tsinontsinona avy amin’ny mpanao politika. Tsy ampy ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana fa baikoan’ny tombontsoa manokana. Izay indrindra no tsy maintsy hitandreman’ny kapiteny, mba tsy haharendrika ny sambo. Raha misy manko ny loza, tsy afa-miala, tsy maintsy miandry ny mpiondrana ho avotra avokoa. Ny olana, ny fanavotan’aina rehetra efa nalain-dry zalahy mialoha. Raha hilomano anefa sarotsarotra satria, efa latsaka anaty onja goavana eny ampovoan-dranomasina ny sambo. Tsy misy intsony ny fiaraha-mirona hifanavotra. Misy aza ny re fa mikotrokotroka valifaty, mainka handentika ny namana. Sanatrian-dresaka misy mpilalao namono biby tsy nahafaty ka mety hifoteran’ny rambony!

r.r

Partager sur: