Hozaraina anio eny Anosy ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny UNFPA momba ny mponina maneran-tany. Hisongadina manokana ny tatitra momba ny mponina aty amin’ny ranomasina indianina ahitana an’i Madagasikara. “Atsahatra ny tsy fitoviana misy amin’ny fananahana ara-pahasalamana sy ny zo mifandraika amin’izay”, io no lohahevitra noraisina.
Nifanakalo traikefa sy niady hevitra mikasika ny fampidirana an-tsehatra ny tovovavy sy ny vehivavy amin’ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fampirisihana ny mpianatra hisafidy ny taranja siantifika ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny fanabeazana eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity teto Antananarivo. Fampiroboroboana ny tetikasa fampivoarana ny vehivavy no tanjona.
Miditra amin’ny andiany faharoa ny “Youth Digital Program”. Sehatra hahafahan’ny tanora 15 ka hatramin’ny 35 taona miresaka malalaka momba ny fahasalamana sy ny fanabeazana eo amin’ny tambajotran-tserasera. Ahitana hatrany ireo “influenceurs” miisa 20 misolontena ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Tetikasa faharoa izay vatsian’ny USAID vola amin’ny alalan’ny tetikasa IMPACT tanterahin’ny PSI Madagascar izany.
Misokatra ary miampy ny taranja amin’ny fiofanana teny anglisy maimaimpoana sy tovozin-davitra Open Massive Online courses. Mahaliana ny tanora maro ny fianarana teny anglisy ary anisan’ny ilaina amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao. Maro ny tolotra fampianarana teny anglisy omen’ny masoivoho amerikanina ary tombony amin’izany ny fahafahana manaraka azy ana habaka.