Iray amin’ireo firenena dimy misitraka ny tetikasa Albatross aty amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya, Afrika Atsimo, Tanzanie ary Ghana. Hanafainganana ny fahafaha-miatrik’ireo firenena ireo ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Fantatra taorian’ny fanadihadiana lalina natao momba ny fahasarotana hita amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fifandraisan’ny fiarahamonina sy ny rohivoahary ka napetraka ity tetikasa ity ahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ny fametrahana vahaolana amin’izay fiovaovan’ny toetr’andro izay. Toamasina sy Morondava no toerana hiasan’ny tetikasa ho antsika eto Madagasikara.
Hojerena manokana ao anatin’izany ihany koa ny valan-javaboaharin’i Kirindy Mikea, amin’ny alalan’ny fambolena ala honko ao anatiny sy ny fitantanana araka ny tokony ho izy ireo faritra lonaka ao aminy.
10 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina amin’ireo firenena dimy ireo ka 500 000 dolara (2,5 milliara Ar mahery) no anjaran’i Madagasikara.
Nampahafantarina teny Ambodivona ny tetikasa ka nandray anjara mivantana tamin’izany ny BNGRC amin’ny maha mpandrindra nasionaly ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza azy. Nanambara ny tale jeneraliny, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, fa zava-dehibe ny tetikasa, satria vahaolana azo tsapain-tanana amin’ny fahafaha-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mpiara-miasa akaiky amin’ny tompom-bola amin’ny fanatanterahana ny asa ny Unesco, Bondy sy ny Cered ary ny Oxfam.
Vonjy