Miantoka ny fahatomombanan’ny fiainan’ny zava-mananaina ny fahadiovan’ny rivotra. Mikendry hatrany ny fahatsaran’ny tontolo iainana, hisian’ny rivotra madio, ireo manam-pahaizana.
Nampivondrona manam-pahaizana sy vondrom-piarahamonina mba hiady amin’ny fahalotoan’ny rivotra aty Afrika ny Clean Air Forum Lagos. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tsy voafetran’ny sisin-tany rahateo ny fandotoana rivotra. Nisy ny fanohanana avy amin’i Etazonia amin’izany ho fampivondronana ireo manam-pahaizana mikatsaka ny fanadiovana ny rivotra eny amin’ny habaka ireo.
“Hatramin’ny taona 1970, rehefa nandany ny Clean Air Act voalohany i Etazonia, dia nihena 78% ny fandotoana rivotra. Na dia teo aza ny fandaniana ara-bola naterak’izany dia nitombo avo telo heny ny toekarena ary nitombo avo roa heny ny isan’ny asa eo amin’ny sehatra tsy miankina. Tsy vola ihany no tombony amin’ny fahadiovan’ny rivotra fa eo koa ny maha olona, izay tafiditra ao anatin’ny andry fahatelon’ny Politikam-panjakana ankehitriny. Tsikaritry ny manam-pahaizana fa mihalava andro iainana ny mpiara-belona, tsy marary matetika, mihena ny fahatapatapahana mianatra ho an’ny ankizy an-tsekoly.
Tsara kokoa ny kalitaon’ny fiainana ho an’ny rehetra rehefa miaina anaty rivotra madio ny olombelona ary vokatsoa maro no aterak’izany na ny azo tsapain-tanana na tsia,” hoy i Jennifer R. Littlejohn, sekreteram-panjakana lefitra mpisolo toerana ao amin’ny Bureau of Oceans and International Environmental and Scientific Affairs.
Miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara ihany koa i Etazonia ho fanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, amin’ny alalan’ny famoahana ny angon-drakitra ho an’ny daholobe. Ilaina ny fiaraha-miasa mba hamahana ity olana ara-tontolo iainana maneran-tany amin’ny fahalotoan’ny rivotra, noho ny antony maro, ity.
Tatiana A