Resabe hatramin’izao ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Isan-taona anefa, rehefa volana desambra vao mipaika ny faha-10 na faha-11 ny volana dia efa maharay hafatra miafina avy amin’ny banky. Mifamahofaho be ny antony mahatonga izany. Toy ny mahazatra, tsy misy ny filazana na fanazavana ofisialy avy amin’ny tomponandraikitra. Samy mangingina any ny “deba” e! Ny loharanom-baovao teny anivon’ny minisitera mpiahy aza, kivikivy amin’ny toe-java-misy. Fisintonana lakolosy teny amin’ny tambajotran-tserasera no nanampy tosika ny famoaham-bola. Inona no atony? Samy maminavina eny fotsiny, dia misento tokana rehefa azo aloha ny karama.
Mampanahy ny fivoaran’ny raharaha satria tena miharitra ny tahirimbolam-panjakana. Ny solombavambahoaka, Rahasimanana Paul Bert na Rossy aza efa nanindrom-paingotra tamin’ny ranty tao amin’ny pejy facebook-ny, dimy andro lasa izay fa “Rehefa tsy misy vola ao amin ny caisse ny fanjakana aza ny Questeur-nay no atao bouc émissaire ato… Teniko izao ary assumer ko”, hoy izy nilaza ny resa-bola. Mazava be tahaka ny karatr’i Naivo izay nambarany. Iza tokoa no hahita ny aty vilany raha tsy izy ao ihany?
Honohono sy tatitra manokana no misy. Ny hany famakafakana tsotsotra azo atao, sy heverina fa mitombina manoloana ity tranga ity, dia ny fitontonganan’ny vola malagasy raha miohatra amin’ny vola vahiny, toy ny Euros. Eo ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy voafehy intsony. Manginy fotsiny, ny tsy fahaiza-mitantana sy fandaniana baranahany ataon’ny mpitondra. Mazava ho azy, ny famoaham-bola amin’ny tetikasa sy ny velirano natao tamin’ny fampielezan-kevitra. Ritra tsikelikely ny tahiry kanefa ny fandaniana lohalisitra natao ambanin-javatra. Marina fa mahazo ny famatsiam-bola avy any ivelany isika, saingy tsy mahasarona ny filana izany. Ny hany mahavelombolo izao dia fanomezan-toky nataon’ny fadin-tseranana sy ny eo anivon’ny hetra. Nanambara izy ireo fa tratra ny tanjona. Nihoatra ny fanamby napetraka ny ezaka vita sy ny vokatra azo.
Eo indrindra no tokony hananan’ny rehetra fijery miabo. Indrindra ho an’ny volana janoary izay iaraha-mahalala ny fahoriana miandry karama. Eny e! na ho amin’ity volana desambra ity aza. Inona ny sakana tsy handraisana ilay fahatarana amin’ny fijery hafa? Mba manambony môraly amin’izao fotoan’ny firobarobana sy fandaniana noho ny fety izao.
r.r