« 8 tapitrisa isan-taona ny olona maty maneran-tany vokatry ny fifohana sigara ka ny 1 tapitrisa mahery mievoka tsy nahy ny setroky ny mpifoka fotsiny », hoy ny OMS. Ny varotra antsokosoko ny sigara dia misarika ny ankizy hifoka sigara satria mora kokoa ny vidiny sady tsy manaraka ny fenitra.
Ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, efa nankato ny fifanarahana lasitra momba ny ady amin’ny sigara sy ny paraky, ny taona 2014 sy ny fifanarahana ho fanafoanana ny varotra antsokosoko ny sigara sy paraky, ny taona 2017, ny fanjakana. Ho fampiharana ny fifanarahana nankatoavina ny taona 2017, tonga eto amintsika ny tomponandraikitra misahana ny fifanarahana (Secrétariat de la convention cadre) hanombana ny asa efa vita sy ny zavatra ilain’i Madagasikara manokana hanatsarana ny vokatra.
Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fifohana sigara. Eto amintsika, 8 300 isan-taona ny olona maty vokatry ny setroka sigara ka ny 300 amin’ireo nievoka tsy nahy ny setroky ny mpifoka. «50% amin’ny aretina tsy mifindra dia ateraky ny fifohana sigara avokoa (fiakaran’ny tosidra, diabeta, homamiadana…). Faharoa ny fisotroana zava-mahamamo», hoy ny talen’ny ofisim-pirenena miady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky (Ofnalat), Ravelojoeliandraimbeloaritafika Aurélien, omaly, teny Anosy. Efa nisy fivoarana ny zava-misy eto amintsika raha ny fanadihadiana (Gyts) natao farany, ny taona 2018. Nidina ho 10,23% amin’ny ankizy (13-15 taona) eny anivon’ny sekoly no mifoka sigara raha mbola 19,3% izany ny taona 2008. Mampahafantatra ny voka-dratsin’ny sigara amin’ny vahoaka sy manampy ireo te hiala amin’ny fiankinandoha no andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny mpiasan’ny Ofnalat. Anisan’ny marefo koa amin’ny voka-dratsin’ny sigara ny vehivavy satria herintaona aty aoriana dia miseho ny homamiadan’ny nono, hoy ny fanazavany. Ny varotra sigara amoron-dalana tsy manaraka ny fenitra dia misarika ny ankizy hifoka satria tsy mampiditra hetra amin’ny kitapombolam-panjakana.
Vonjy